misy olona, malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka

4
Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana” Mardi, 17 Septembre 2019 10:26 - Mis à jour Mardi, 17 Septembre 2019 14:46 Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka fampianarana ambony ihany fa tsy mety raha tsy mamadika resaka foana. Asa hatramin'ny fahataperan'ny fofon'aina mihitsy angaha izany famitahana tena sy fandrebirebena ireo olona liam-baovao mampandroso... Fanarenana no resaka ka rehefa mitovy amin'izany dikany izany ny fampiasana ny voambolana “fanamboarana” dia iny izy fa midin-drambo ka milaza fa “600 km ve dia ho vita ao anaty efa-bolana?” . Dia alefa daholo izao karana resaka teknika tsy mitondra mankaiza. Fa iza izany? Olona milaza azy tena tia tanindrazana... 1 / 4

Upload: others

Post on 23-Nov-2021

20 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka

Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”Mardi, 17 Septembre 2019 10:26 - Mis à jour Mardi, 17 Septembre 2019 14:46

Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka fampianarana ambony ihany fa tsy metyraha tsy mamadika resaka foana. Asa hatramin'ny fahataperan'ny fofon'aina mihitsy angahaizany famitahana tena sy fandrebirebena ireo olona liam-baovao mampandroso... Fanarenanano resaka ka rehefa mitovy amin'izany dikany izany ny fampiasana ny voambolana“fanamboarana” dia iny izy fa midin-drambo ka milaza fa “600 km ve dia ho vita ao anatyefa-bolana?” . Dia alefa daholo izaokarana resaka teknika tsy mitondra mankaiza. Fa iza izany? Olona milaza azy tena tiatanindrazana...

1 / 4

Page 2: Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka

Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”Mardi, 17 Septembre 2019 10:26 - Mis à jour Mardi, 17 Septembre 2019 14:46

2 / 4

Page 3: Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka

Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”Mardi, 17 Septembre 2019 10:26 - Mis à jour Mardi, 17 Septembre 2019 14:46

3 / 4

Page 4: Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka

Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”Mardi, 17 Septembre 2019 10:26 - Mis à jour Mardi, 17 Septembre 2019 14:46

Momban'ny drafitr'asan'ny fanjakana mahakasika ny fanarenana ny lakan-draon'ny Pangalanaary dia io ambony io, amin'ny teny frantsay. Manaraka dia ny kabarin'ny Filoha Andry Rajoelinairay manontolo, tamin'ny14 Septambra 2019, andro fanomboana ara-pomba ofisialy izanyfanarenena izany. Ny soratra tokoa mitoetra. Jeannot Ramambazafy ************

“Ry vahoakan'i Toamasina, Tompokolahy sy Tompokovavy, Ianareo rehetra manatrika etoana. Tonga eto amin'ity toerana ity isika androany. Ity toerana ity no atao hoe port-ny Manangareza.Rehefa ny vahiny no tsy tafala intsony eto Madagasikara, dia hoy ny olona hoe: nisotro nyranon'ny Manangareza ilay vahiny. Marina sa tsy marina? Izaho dia nigoka mihitsy ny ranon'nyManangareza. Nigoka ny ranon'ny Manangareza ary nanao velirano tamin'ny Malagasy,tamin'ianareo mponina rehetra eto amin'ny Faritra Atsinanana hoe tsy maintsyhampandrosoana ny Firenena ary tsy maintsy mandrosoity Faritra Atsinanana iray manontoloeto Madagasikara, Tompokolahy sy Tompokovavy. Ampifaliana foana, noho izany, mandrakariva, no hihaonako aminareo vahoakan'i Toamasinasatria androany dia vorilànona indray isika eto amin'ity toerana ity. Asa goavana. Izany noatombon-tsika eto androany ary izay koa ny maharovy an-tsika marobe eto androany satria diaatombon-tsika ny fanamboarana an'ny canal des Pangalanes, ary tsy maintsy ho tantera-tsikamanara-penitra ary hampifandray ny vahoaka malagasy iray manontolo ity canal desPangalanes ity, Tompokolahy sy Tompokovavy. Nandritra ny fampielezan-kevitra nataoko teto Toamasina sy manerana ny Nosy, izay mbolanohamafisiko rehefa lany ho Filoham-pirenena ny tenako, ary neveriko mihitsy izany teoanatrehin'ny Papa Ray Masina, nandritra ny fihaviany teto Madagasikara, dia nilaza sy nanaovelirano ny tenako fa hitondra an'i Madagasikara any amin'ny fampandrosoana maharitra syaingana. Noho izany dia vina sy fanamby maro samihafa no nambarako fa ho tanterahinamahakasika ny sehatra maro izay hitondra ny firenena mankany amin'ny fampandrosoana. Koa, araky ny efa nambarako, dia fiovana amin'ny fiainan'ny vahoaka malagasy izay mipakaamin'ny andavanandrony, izany no ataon-tsika laharam-pahamehana. Koa ankehitriny ary, diatonga eto isika ao anatin'ny fanatanterahana an'izany vina sy fanamby napetraka izany, izay noanisan'ny mahatonga antsika eto androany. Koa anio ary dia an-kafaliana lehibe tokoa noilazana antsika fa hanatanteraka izao fanomboana ny asa izao isika. Ny asa izay hataon-tsika, araka ny nolazaiko teo, dia ny fanamboarana ny lakan-drano na nyCanal des Pangalanes izay misy tetik'asa maro any amin'ny faritra hafa. Ohatra, anyToamasina, any Ambatondrazaka dia niteny aho hoe: tsy maintsy amboarina ny RN 44. Tsyhandrasan-tsika famatsiam-bola avy any ivelany. Niteny ny Banque mondiale hoe: ho ampianayianareo, ho atao io làlana io fa mbola miandry kely aloha. Ilay miandry kelin'ny mpamatsy volamety ho herintaona, roa taona, telo taona. Ka hoy aho hoe: tsy handrinay izany. Ka rehefa vitany tolo-bidy hanaovana ny RN 44 ankehitriny dia ny société Colas ny hanao izany aryhanomboka afaka iray volana ny asa hanaovana ny RN 44. Toa izany koe ity Canal des Pangalanes ity. Maro ireo mpiara-miombinantoka, maro ireofirenena izay hanampy antsika, fa hoy aho hoe: ny fampandrosoana an'i Madagasikara tsyafaka andrasana afaka roa taona na telo taona. Manana isika ny orinasa Apmf (AgencePortuaire Maritime et Fluviale), manana isika ny ministera izay miandraikitra izany. Dia hoy aho hoe: tsy ataon-tsikaandrasana ela fa androany dia androany dia atomboka ny asa fanaovana dragage an'ity Canaldes Pangalanes ity, izay hampitohy an'i Toamasina an'i Vatomandry, Mahanoro, Mananjary arymbola hataon-tsika tonga any Manakaka sy Farafangana izany fanamboarana izany Canal desPangalanes izany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Fa izao: raha anao izany tetik'asa izany isika dia mila fantarina ny Tantaran'ny firenena,indrindra indrindra ny tantaran'ity Canal des Pangalanes ity. Zava-dehibe no azon-tsika amin'izyio, fa aleho fantarin-tsika kely hoe ahoana sy ahoana ny mahakasika ny tantaran'ny Canal desPangalane. Ny Canal des Pangalanes dia nandalo vanim-potoana telo lehibe? Nyvanim-potoana voalohany dia tamin'ny andron'ny mpanjaka Radama I. Tamin'ny taona 1827 nonamolavola tetik'asa ary nieritreritra ny mpanjaka Radama, tamin'izany ny hoe: tokony atao ioCanal des Pangalanes io fa ilaina ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Saingy tsy tanterakaizany raha tsy 70 taona taty aoriana, dia tamin'ny andron'ny fanjanahantany, izany hoe tamin'nytaona 1901 izay vao nanomboka ny asa fanaovana ity Canal des Pangalanes ity. Ary vita soaaman-tsara tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny taona 1988, dia nisy fanamboarana kely an'ityCanal des Pangalanes ity. Fa ny tena olana goavana dia tsy nisy intsony ny fikojakojana, tsynisy intsony ny fikirakirana, dia ankehitriny tsy azo ifandraisana intsony ny mampitohy ireotanàna maro izay efa nolazaiko anareo teo: Toamasina, Vatomandry, mandrapahatonga anyManakara, Mananjary sy Farafangana. Tsy afaka intsony. Ohatry ny lalàna ihany io: rehefa tsy kojakojaina dia tsy afaka intsony nymampifandray azy. Koa anio isika, isika mianakavy, dia tantara lehibe no apetra-tsika etoandroany. Satria 118 taona no nanokanana ny Canal des Pangalanes. 59 taona taorian'nyniverenan'ny Fahaleovantena dia vory eto isika mianakavy. Tapa-kevitra isika fa hamelona syhanokatra ny Canal des Pangalanes ary tsy maintsy ho vitain-tsika izany, Tompokolahy syTompokovavy, hampandrosoana ny Faritra Atsinanana iray manontolo sy Madagasikara ! Rehefa vita io, dia hisy sambo lehibe mpitatitra olona izay hampiray ireo tanàna rehetra izaynolazaiko teo. Ary handroso be ny Faritra Atsinanana satria betsaka ny tombontsoa ho azoamin'izany. Hitondra vahaolana maro ho an'ny mponina manamorona ny lakan-drano ary,indrindra indrindra, hitondra sy hiteraka asa ho an'ny rehetra ny fahavitan'izao Canal desPangalanes izao. Satria mponina maherin'ny telo tapitrisa tokoa no higoka ny fampandehananaindray izany Canal des Pangalanes izany. Ary vokatra maro, toa ny letchis, ny jirofo sy ny sisany hivoaka sy hifamezivezy ao anatin'izany Canal des Pangalanes izany. Izao dia toky no omeko anareo f'efa nanao velirano aho hoe: hanao ny ezaka rehetrahampandroso an'i Madagasikara. Mba azonareo an-tsaina fa efa zato taona maro no tsy nisynijery ity Canal des Pangalanes ity. Maro ny hotely aroso hajoro. Rampitso izao, rahafak'ampitso dia hisy ny "Salon international du Tourisme" atao ao Antananarivo. Ary ao anatin'izany nyantony hitondrana mpandraharaha mankaty amin'ny Canal des Pangalanes mba hanao hotelymaromaro, mba hanao ny resaka jiro, mba hanao ny resaka rano sy ny fanadiovana maroisan-karazany manodidina ity Canal des Pangalanes ity.

Ny tanjon-tsika dia tsy maintsy ho tratra ny hamelomana izany Canal des Pangalanes izany.Koa mila mifanome tànana ny be sy ny maro, mba hafahantsika manatontosa ny asa antsakanysy andavany ka hitondra antsika amin'ny tanjona izay ho tratrarin-tsika mba ho lakan-dranomodely ary ho tsidian'olona maro maneran-tany ity Canal des Pangalanes ity. Mbola ho avy eony Marôkana, fa isika tsy miandry izay hamatsy vola. Mbola ho avy eo nympiara-miombinantoka maro isan-karazany fa isika tsy hiandry izany fa hanomboka isika izao.Isika no mitarika ny lamasinina; isika no lohan'ny lamasinina mitondra ny fampandrosoanamanerana an'i Madagasikara, izay no hanomboan-tsika tsy misy atak'andro izany tetik'asarehetra izany. Mikasika an'i Toamasina manokana, dia maromaro ny minisitra tonga eto androany. Hijeryizahay ny toerana hanaovana ny Buildings mora; hijery izahay ny toerana hanaovana ny tranomora; hijery izahay ny toerana hametrahana ozinina fanaovana simenitra eto Toamasina. Aryrehefa tafapetraka io dia hihena 40% farafahakeliny ny vidina simenitra miainga eto Toamasinafa manerana an'i Madagasikara. Maro ny zavatra ho ataon-tsika hampandroso ny firenena fa indrindra hampandroso an'iToamasina. Ary eto dia averiko, araka ny nolazaiko ombieny ombieny fa tsy ny tenako irery noafaka hitondra ny fampandrosoana fa isika rehetra miara-miasa no afaka manatratra ny tanjonafamapandrosoana ho an'i Madagasikara sy ho an'i Toamasina. Koa eto ary dia ambarako amin'ny fomba ofisialy, fa anio 14 Septambra 2019 dia manombokany asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana. Manomboka izy androany ary tsy maintsy hotanteraka izany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Mankasitraka antsika rehetra, Mankatelina ny vahoakan'i Toamasina, Misaotra, Tompokolahy Mankasitra Tompokovavy”. Andry Rajoelina Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

4 / 4