fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana...

16
1 Ry mpamaky hajaina, Tena faly aho eto ampanoratana ity raki-tsoratra ity satria fantatro sahady fa hitombo hatrany ny olona mahita tombotsoa amin’ny fampiasana ny fatana ADES, mazava hoazy mitombo arak’izany koa ny soa tovozintsika rehetra amin’ny fahadiovan’ny tontolo iainana satria hihena ny faharipahan’ny ala. Mananika ny 80% ny fahatratrarana ny tanjona izay nokasaina hotratrarina amin’ity taona 2016 ity amin’izao fotoana anoratako izao, mino aho fa ho tratra soa aman-tsara izany ary mety hihoatra aza raha tsy misy ny sampona. Mitombo ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ADES Madagasikara, izay manohana sy miezaka hatrany hanaparitaka ny fatana mitsitsy saribao sy tikay. Mitombo ny olona tia mampiasa ny fatana ADES eto Madagasikara satria azo tsapain-tanana ny tombotsoa hita eo amin’ny fihenàny fandrehitra ampiasaina raha oharina amin’ny fatapera. Mihaavo lenta hatrany ny teknika ampiasain’ny ADES eo amin’ny famokarana fatana mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa ny fatana mitsitsy. Azo lazaina fa tratra ny tanjona tato anatin’ny 15 taona nijoroan’ny ADES. Misandrahaka amin’ny lafiny maro ny sahan’asa fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny ADES fa tsy mijanona fotsiny amin’ny famokarana sy fanaparitahana fatana mitsitsy. Ao ny fanabeazana ara-tontolo iainana atao eny anivon’ireo sekoly hoan’ny ankizy sy ny mpanabe ary ny ray aman -drenin’ny mpianatra, fampianarana ny ankizy eny an- tsekoly hamboly hazo. Ao koa ny tanin-janakazo sy fampiofanana ny mpiara-miombon’antoka sy ny vondron’olona ifotony hamboly hazo any Ejeda, ny fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana mitsitsy fandrehitra ADES, fanamboarana lafaoro lehibe ari-fomba handrahoana tanimanga ao Fianarantsoa, famatsiana ny VOZAMA hamboly hazo roa isakin’ny fatana lafo, fanofanana ireo olon-tsotra mivarotra ny fatana mitsitsy ADES, fiaraha miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany, mahavelom-bolo hatreto ny zava- bita tato anatin’izay 15 taona izay, ary irariana ho toy izany hatrany ny hoavy amin’ny taona maro mifandimby, izay mbola anasanay antsika rehetra hiara -dalana amin’ny ADES eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy hay ny tsy hisaotra ny mpiasan’ny ADES rehetra, ireo mpiara-miombon’antoka, ireo mpanohana ara-bola sy ara-teknika ny ADES any ivelany sy eto an -toerana, isika rehetra mampiasa ny fatana ADES, isika mpamaky ny gazetin’ny ADES, indrindra indrindra isika rehetra izay nifidy ny tetikasa ADES ka nahatafiditra azy ho isan’ny tetikasa 100 hoan’ny Toetr’andro izay ao anatin’ny COP21. Misaotra betsaka, hiaraka hatrany isika hanarina ny ala simba, hamerina ireo voahary dia amin’ny laoniny mba ho tontolo mahafinaritra no holovain’ireo fara mandimby any aoriana. Ny Tale Nasionaly ADES Isabelle MARTHALER-MARTY ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE-MADAGASCAR)

Upload: others

Post on 29-Aug-2020

2 views

Category:

Documents


0 download

TRANSCRIPT

Page 1: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

1

Ry mpamaky hajaina,

Tena faly aho eto ampanoratana ity raki-tsoratra

ity satria fantatro sahady fa hitombo hatrany ny olona

mahita tombotsoa amin’ny fampiasana ny fatana

ADES, mazava hoazy mitombo arak’izany koa ny soa

tovozintsika rehetra amin’ny fahadiovan’ny tontolo

iainana satria hihena ny faharipahan’ny ala. Mananika

ny 80% ny fahatratrarana ny tanjona izay nokasaina

hotratrarina amin’ity taona 2016 ity amin’izao fotoana

anoratako izao, mino aho fa ho tratra soa aman-tsara

izany ary mety hihoatra aza raha tsy misy ny sampona.

Mitombo ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ADES

Madagasikara, izay manohana sy miezaka hatrany

hanaparitaka ny fatana mitsitsy saribao sy tikay.

Mitombo ny olona tia mampiasa ny fatana ADES eto

Madagasikara satria azo tsapain-tanana ny tombotsoa

hita eo amin’ny fihenàny fandrehitra ampiasaina raha

oharina amin’ny fatapera. Mihaavo lenta hatrany ny

teknika ampiasain’ny ADES eo amin’ny famokarana

fatana mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa

ny fatana mitsitsy.

Azo lazaina fa tratra ny tanjona tato anatin’ny 15

taona nijoroan’ny ADES. Misandrahaka amin’ny

lafiny maro ny sahan’asa fiarovana ny tontolo iainana

eto amin’ny ADES fa tsy mijanona fotsiny amin’ny

famokarana sy fanaparitahana fatana mitsitsy. Ao ny

fanabeazana ara-tontolo iainana atao eny anivon’ireo

sekoly hoan’ny ankizy sy ny mpanabe ary ny ray aman

-drenin’ny mpianatra, fampianarana ny ankizy eny an-

tsekoly hamboly hazo. Ao koa ny tanin-janakazo sy

fampiofanana ny mpiara-miombon’antoka sy ny

vondron’olona ifotony hamboly hazo any Ejeda, ny

fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy

fatana mitsitsy fandrehitra ADES, fanamboarana

lafaoro lehibe ari-fomba handrahoana tanimanga ao

Fianarantsoa, famatsiana ny VOZAMA hamboly hazo

roa isakin’ny fatana lafo, fanofanana ireo olon-tsotra

mivarotra ny fatana mitsitsy ADES, fiaraha miasa

amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny

maro isan-karazany, mahavelom-bolo hatreto ny zava-

bita tato anatin’izay 15 taona izay, ary irariana ho toy

izany hatrany ny hoavy amin’ny taona maro

mifandimby, izay mbola anasanay antsika rehetra hiara

-dalana amin’ny ADES eo amin’ny fiarovana ny

tontolo iainana.

Tsy hay ny tsy hisaotra ny mpiasan’ny ADES

rehetra, ireo mpiara-miombon’antoka, ireo mpanohana

ara-bola sy ara-teknika ny ADES any ivelany sy eto an

-toerana, isika rehetra mampiasa ny fatana ADES,

isika mpamaky ny gazetin’ny ADES, indrindra

indrindra isika rehetra izay nifidy ny tetikasa ADES ka

nahatafiditra azy ho isan’ny tetikasa 100 hoan’ny

Toetr’andro izay ao anatin’ny COP21. Misaotra

betsaka, hiaraka hatrany isika hanarina ny ala simba,

hamerina ireo voahary dia amin’ny laoniny mba ho

tontolo mahafinaritra no holovain’ireo fara mandimby

any aoriana.

Ny Tale Nasionaly ADES

Isabelle MARTHALER-MARTY

ASSOCIATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE L’ENERGIE SOLAIRE (SUISSE -MADAGASCAR)

Page 2: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

2

ADES ANTANANARIVO

FIARAHA MIASA AMIN’NY « ETOILE DU MATIN »

Ny akany fitaizana zaza kamboty « Etoile du Matin » ao Ambohitrimanjaka, Fokontany Miadana, faritrra Anelotsara dia nisokatra tamin ‘ny taona 1992. 35 ireo ankizy beazina ao ankehitriny. Ny fiaraha-miasa tamin’ny Ramatoa talé

Voanio RAJOELISON sy ROTARY CUGNAUX avy ao Toulouse ary ny ADES no nahafahana namatsy ny akany amin’ny vokatra ADES : fatana masoandro roa, fatana mitsitsy mandeha amin’ny arina sy kitay OLI 60. Voaray tsara ny toromarika amin’ny tokony ampiasaina ireo fitaovana ireo.

TETIKASA AIPM AROALA MAROMIZAHA-ADES

Noho ny ezaka sy faharetan’ i Ramatoa Regula Ochsner, Ramatoa Christina Giacoma, Ramatoa Valera sy Andriamatoa José Patrick RANDRIANIRINA hatramin’ny taona

2012 momba ilay vina AROALA dia tratra ny tanjona. Ny hizara fatana mitsitsy kitay 440 sy solar cube 7 no tanjona. Fanofanana, fanentanana ary fampiharana mivantana ireo fitaovana ireo ary niampy fanentanana ireo mpianatra madinika momba ny tontolo iainana ary fanarahamaso no entina hanatontosana izany tetikasa izany. Nisy ny fivoriana fanomanana niarahana tamin’ny Dr Charles ANDRIATSARA, ramatoa Claudia RAKOTO avy ao amin’ny club Rotary

Tsimbaroa sy ny ekipan’ny ADES misy an’i mpandrindra ny faritra Avaratra, andriamatoa Patrick RANDRIANIRINA ary ny tale ADES TANA Naomy ANDRIAMALALA . Nisy ihany koa ny famelabelarana tamin’ny ramatoa isany Cristina Giacoma, Valera, Nicole izay nandalo teto Tana any asa efa natomboka tao amin’ny birao sy tany amin’ny toerana hizarana.

Voafaritra ny fotoana hanaovana ny fanofanana any amin’ireo toerana hanaovana ny fizarana. Ny fokontany : Malina be, Anevoka, Morafeno, Andasifahadimy, Ambohimanolaka, Andasisihanaka, Madiorano : dia samy nahazo ny fanofanana avy. Ny fandraisan’ireo fokonolona fiofana avy tamin’ny ekipa ADES dia nahitam-pahombiazana. Ary nisy fampitahana ny fatana toko 3 sy ny fatana mitsitsy kitay ADES. Izay nahitan’izy ireo ny fihenan’ny kitay ampiasaina ka nahatonga azy ireo tsy ahandry ny fotoam-pizarana.

Fampitahana toko telo sy fatana mitsitsy ADES

Fivorian’ny ADES Tana sy Cristina sy ny ekipany

Fampiofanana ireo mpisitraka

Fatana ADES sy ireo mpisitraka Etoile du Matin

ANDRIAMALALA Naomy

Page 3: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

3

Tonga ny fotoana nandrasana, somebiseby ny mpikarakara. Tonga ireo fokonolona avy any amin’ny 9 kilometatra manodidi-na ny toerana izarana : EPP Anevoka. Nosokafan- dramatoa talen’ ny sekoly ny kabary, nifanesy nandimby azy ireo ma-nampahefana izay samy nampatsiahy avy ny maha – zava – dehibe io fiaraha-miasa io. Nisy ny seho antsehatra « TSIMIHIRA » ilay indri ary « Toky et le Roi soleil » sy fanen-tana amin’ny fampiasana ny fatana masoandro. Tao ihany koa ireo tsianjery nataon’ny mpianatra ary ny dihy mirindra nian-galian’ireo mpanabe. Nialoha ny fitsidihana ny asa tanana na-taon’ireo mpianatra ny fizarana isam-paritra. Tamin’izany no nijoroan’ireo nandray fatana manokana ho vavolombelona.

ADES ANTSIRABE Miroso hatrany ny asa fanentanana sy fampahafantarana ny olona ny fatana ADES ataon’ny ADES eto Antsirabe. Mitety tanàna amin’ny MOTO TRICYCLE manentana ireo kaominina ambanivohitra ao anatin’ny Faritra Vakinakara-tra. Tena liana ny olona tamin’ireo toerana rehetra izay nanaovana fanentanana sy fampahafantarana ny fatana ADES satria zava-baovao ho an’ny mponina ao Atsirabe sy ny manodidina ny vokatra vokarin’ny ADES. Hita nandritra ny fitsidihana ireny tanàna manodidina ireny fa miha-tonga saina ny olona amin’ny tokony hiarovana ny tontolo iainana, ary miha-mavesatra ihany koa ny fivoahan’ny vola

lany amin’ny fividianana fatapera fandrahoan-kanina matetika, sy saribao ary kitay. Iaraha mahita fa efa sarotra ny fahitana kitay amin’izao fotoana izao. Ireo antony ireo no nanosika ny vahoaka ho liana sy vonona ny hampiasa ny vokatra vokarin’ny ADES mba ho fiaraha-miombon’antoka hiaro ny tontolo iainana sy hiady amin’ny fahantrana.

ADES EJEDA

JME 2016 A BEAHITSE Nankalaza ny andro iraisam-pirenena hoan’ny tontolo iai-nana ny Centre vert ADES Ejeda izay niarahana tamin’ny MNP (Madagascar National Parks) Tsimanapesotse, izay notanterahina tao Beahitse ny faha 06 Septembre 2016. Ny lohahevitra novoizina tamin’izany dia ny hoe « Andao hiady amin’ny varotra an-tsokosoko ireo voahary dia ».Tamin’izany indrindra no nanararaotan’ny Centre vert ADES Ejeda nampahafantatra ny antom-pisian’ny ADES sy ny Centre vert ao Ejeda, ny tanjona tratrariny, ny asa sy ny toerana iasany, ary ny fanazavana ny vokatra misy ao amin’ny ADES, izay miaro ny tontolo iainana ary koa

Fety fizarana fatana tao Anevoka

ANDRIAMALALA Naomy

Varotra tamin’ny tricycle tao Andranomanelatra

Varotra tamin’ny tricycle tao Sahanivotry Atsimo

ANDRIANARIVO Tantely

Page 4: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

4

mifameno sy manohana be dia be ny lohahevitra izay novoizina tamin’io fotoana io. Nohamafisina tamin’izany ny fametrahana sy ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny MNP Tsimanapesotse sy ny Kaominina ao Beahitse mahakasika ny fanaparitahana sy ny fampiasana ny fatan’ny ADES ary ny fambolen-kazo izay hotanterahina amin’ny taona 2017.

FAMBOLEN-KAZO TANY TRATRIOTSY-KANDE

Zana-kazo diman-jato fototra no voavoly tany Tratriotsy-Kande, fokontany iray ao anaty Kaominina Belafika 12km miala an’Ejeda. Izany dia fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Fikambanan’ny Vondron’olona ao an-toerana « Association locale » sy ny Centre vert ADES Ejeda. Ny tanjona dia ny hamerenana indray ireo ala sy hazo sarobidy tao anatiny, izay efa lany tamingana amin’izao fotoana izao toy ny : Mendorave (Albizzia aurisparsa), Lovanafe (Brachyleana ramiflora), Magnare (Dalbergia

trichocarpa), Varo (Tabernae montana), Katrafay (Cedrolopsis grevei), Vaovy (Tetrapterocarpon geayi), sns. Fanombohana no natao tamin’ity taona ity fa zana-kazo arivo na 1000 fototra ny tanjona amin’ny taona hoavy.

ADES FIANARANTSOA

LAFAORO ARI-FOMBA Dingana iray lehibe hoan’ny fiarovana ny ala sy fanatontoloana ny dingana fanamboarana ny fatana lehibe vaovao tsy mandany fandrehitra, fandrahoana tanimanga. Izay dia nanomboka ny 28 Jona 2016. Ny ekipany BIONERR no nanatontosa izany tao amin’ny ADES

Fandraisam-pitenenana nandritra ny lanonana

ANDRIANANTENAINA Loubien

Fifampiresahana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa (taona 2016-2017) teo amin’ny MNP sy ny ADES ary ny Maire

Commune Rurale Beahitse.

ANDRIANANTENAINA Loubien

Miara misalaha ny mponina mamboly ireo hazo saro-bidy, ny lehilahy, ny vehivavy sy ireo ankizy

miray hina ho an’ny zavaboahary

Ireo mponina ao Tratriotsy-kande mamboly hazo

Page 5: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

5

Fianarantsoa. Vita tanteraka ny fanamboarana io fatana io ny 15 Oktobra 2016 ary dia natao ny andrana fan-drahoana tanimanga voalohany ny 16 Oktobra 2016. Ireto manaraka ireto avy ny tombotsoa azo avy amin’io lafaoro io : Tsy manaparitaka setroka manimba ny rivotra iai-

nan’ny mpiasa sy ny manodidina. Mampihena ny fandrehitra (tsy mihoatra ny 1 taonina)

raha nahatratra 1 taonina sy sasany izany tamin’ireo lafaoro taloha;

Mahatafiditra fatana mitsitsy maro (hatramin’ny 800 isa) ;

Ary mitovy ny hafanana miparitaka ao anatiny izay ahazoana fatana tsara kalitao sy tsara loko.

Mbola hisy ihany koa ny fanatsarana amin’ny manaraka, mba hampiakarana ny isany vokatra ary koa ny varotra sy hanatsarana hatrany ny kalitao.

FESTIVALY NY OVY Mba ho fampiroboroboana ny famokarana sy fivarotana ovy ary hanentanana ny fisakafoanana ovy ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Vondrona Fampandrosoana ny Tantsaha Matsiatra Ambony (VFTM), izay tohanan’ny Agro Sans Frontières (ASF) Suisse ara-bola, dia name-traka ny Tetikasa Andrana : « Pommes de terre » ao ana-

tin’ny fokontany roa ahitana ny Fivondronana vehivavy Mpandrary ao Andoharanomaintso sy ny AKANGA MIA-RADIA ao Sahambavy. Ny ASF Suisse, tarihan-dRamatoa Ruth ROSSIER, dia mapikambana ny fambolena ovy sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Izany hoe ireo mpisitraka dia tsy maintsy miaro ny ala sy mampiasa ny fatana mitsit-sy.

Izany no niteraka ny fiaraha-miasa teo amin’ny VFTM sy ADES Fianarantsoa. Ny faha 9 sy 10 ny volana Sep-tambre 2016 teo dia nisy ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa miakabokatra ovy tao amin’ireo fokontany roa voalaza etsy ambony. Nisy ny fifaninanana mikarakara sakafo vita amin’ny ovy andrahoina amin’ny fatana mitsitsy kitay ADES (OLI-b), fanehoana fahandroa-na ovy nataon’ny ekipany ADES, fizarana fatana mitsitsy ADES ho an’ireo mpifaninana sy mpamokatra ovy, ary ny fanokafana ny trano fitahirizana sy fivarotana ovy. Ny hatsarana sy ny hamaroan’ny vokatra dia manambara ny fahombiazany famokarana sy ny fahavitrihan’ireo mpo-nina hanohy ny tetikasa. Izany rehetra izany dia ahafaha-na milaza sahady fa tsy hijanona eo ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny telo tonta : ASF Suisse/VFTM/ADES fa hitohy hatrany.

Lafaoro ari-fomba handrahoana tanimanga

Fihenany fandrehitra (briquettes arthémisias)

Mbolatiana RAVELONANOSY

Fifaninana mahandro ovy amin’ny fatana OLI-b

Ireo mpifaninana sy ny lokany avy

BARINIRINA Cécile

Page 6: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

6

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY KOPERATIVA(JIC)

Natao tao Fianarantsoa ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ny Koperativa (JIC) ny faha 1 sy ny 2 Jolay 2016. Tonga maro nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo mpanodina vokatra eraky ny faritra rehetra eto Madagasikara. Nisy ny varotra fampirantiana ireo vokatra. Nasainy Minisitera ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ny ADES mba hampiranty ireo vokatra noho izy manana trano famokarana fatana ari-fomba. Tena nahomby ny fandraisan’anjara ny ADES satria nahafahan’ireo mpandray anjara avy any amin’ny toerana tsy misy ADES nahafantatra ny ADES, ny asa sahaniny sy ireo vokatra vokariny. Notoloran’ny Minisitry ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina Atoa Nourdine Chabani marim-pakasitrahana ny ADES taorinan’ny nitsidihany ny tranoheva. Maro ireo fatana masoandro sy fatana mitsitsy lafo nandritra ny roa andro nanatanterahana ny hetsika.

ADES MAHAJANGA

F.E.B. BOENY Toy ny fanaony isan-taona dia nikarakara ny F.E.B (Foire Economique Boeny) ny kaominina ambonivohitry Mahajanga. Izany dia natao nanomboka tamin’ny 31 Aogositra ka hatramin’ny 3 Septambra 2016 ary nampitondraina ny anarana hoe : Boeny mionjo. Betsaka ireo fikambanana sy ireo orinasa avy aty an-toerana sy avy any ivelan’ny tanànan’ ny Mahajanga no nanao varotra fampiratiana tamin’io fotoana io. Anisan’ireny koa ny ADES Mahajanga izay nanana tranoheva manokana nahafahany nampiraty ireo karazana fitaovana vokariny. Tombony lehibe hoan’ny ADES Mahajanga manokana ny fandraisana anjara tamin’ity hetsika ity satria dia maro tokoa ireo mpitsidika na avy eto an-toerana na vahiny mandalo.

HOTELY LÔLÔ AMBANJA Amin’izao fotoana izao dia efa mieli-patrana tokoa ireo fitaovana izay vokarin’ny ADES. Raha sendra nisakafo tamin’ny hôtely iray tao Ambanja ao amin’ny Fokontany Abegavo ny ekipan’ny ADES Mahajanga dia nahatsikaritra ny fampiasan’ity hôtely ity ireo fatana mitsitsy izay vokarin’ny ADES. Rehefa nifampiresaka tamin’i Atoa

Minisitra Nourdine Chabani mitsidika ny tranohevan’ny ADES

Fanolorana mari-pakasitrahana hoan’ny ADES

BARINIRINA Cécile

Mpiasan’ny ADES Mahajanga manao « démonstration » mahandro sakafo amin’ny fatana masoandro paraboly

Tranohevan’ny ADES Mahajanga nandritry ny F.E.B

FANOMEZANTSOA Rolando

Page 7: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

7

Angelo, tompon’ny hôtely ny ekipan’ny ADES Mahajanga dia nilaza izy fa tena afa-po tanteraka amin’ny fampiasana ny fatana. Tsapany fa tena nihena be tokoa ny fandaniany hatramin’izay nampiasany ireo fatana ireo. Tany am-piandohany dia fanandramana ihany no nataony tamin’ny fampiasana ny fatana ADES fa amin’izao fotoana izao kosa dia fatana ADES avokoa no ampiasainy ao an-dakozia. Ny ADES dia manentana hatrany ireo mpanao hôtely sy mpivarotra sakafo masaka rehetra mba hampiasa ny fatana mitsitsy ADES mba tsy hanimbana ny ala ary koa hampihenana ny fandrehitra handrahoan-kanina. Mahafinaritra ny ataon’i Atoa Angelo ao Ambanja ao amin’ny Hôtely LOLO !

ADES MORONDAVA

FIARAHA MIASA AMIN’NY FIKAMBANANA NAMANA

Amin’ity gazety vaovao ity, dia hoentin’ny ADES

Morondava any Belo sur mer isika mpamaky, sari-nosy any amin’ny 90 km atsimon’ny distrika ny Morondava, Faritra Menabe. Taorinan’ny fanentanana mafy natao dia nitombo ireo tokatrano mampiasa ny OLI-c sy OLI-b sy ireo mpanao hotely mampiasa ny fatana masoandro ao amin’ity Kaominina ambanivohitra ity, izay ahitana mpanjono sy mpanao hôtely. Fikambanana iray antsoina hoe « NAMANA », tarihin’ny Ramatoa terantany frantsay Françoise ary miasa hoan’ny fampandrosoana ny tanàna ny Belo sur mer, nahita mivantana ny fahasimbany zavamaniry sy ny fahampotehany ala honko, no nanangana tetikasa fizarana fatana mitsitsy ADES mba hanalefahana ny fahapotehany zavaboahary.

Tany ampiandohana dia nanantona ny Tale ny ADES Morondava i Ramatoa Françoise mba hifandinika tsara ny amin’ny fanatanterahana ny hetsika tiany hatao. Resy lahatra izy ka nisafidy tamin’ireo karazam-patana misy mba hikendrena hatrany ny fiarovana ny ala sisa tsy potika. Nisafidy ny fatana mitsitsy kitay, ny Filohany Fikambanana NAMANA ho fitsinjovana hatrany ireo tokatranony mpanjono nenti-paharazana izay sahirakirana ara-pivelomana. Fatana mitsitsy kitay (Oli-b) androampolony no nalefa tany Belo sur mer. Natomboka ny fizarana taorian’ny kabary. Misaotra betsaka ny Fikambanana NAMANA manantena fiaraha–miasa manaraka indray.

Ireo fatana mitsitsy ampiasain’ny hôtely Lôlô (fandrahoana ao anaty lakozia)

Talen’ny ADES Mahajanga sy ireo fatana mitsitsy ampiasain’ny hôtely (fandrahoana aty ivelany)

FANOMEZANTSOA Rolando

Panneau ny fikambanana Namana ao Belo sur Mer

Fizarana ireo fatana mitsitsy kitay tao Belo sur Mer

Page 8: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

8

Tetsy andanin’izany, nanao fanarahamaso ny ekipany ADES Morondava satria maro ireo fatana masoandro ampiasain’ireo mpanao hôtely any Belo sur Mer. Tamin’izany no nahitana fa ny fatana masoandro dia amanana rano hampiasain’ireo vahiny ao amin’ny hôtely ; ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpanao hôtely ao amin’ny « ENTREMER » ny Belo sur Mer no nahafantarana fa azo sotroina tsara ny rano avy amin’ny fatana no sady ankafizin’ireo mpanjifa. Amin’ny maha saritsari-nosy azy, dia mety tsara amin’ny fampiasana fatana masoandro ny toe-tany any Belo sur Mer KOA dia, nentanina ny amin’izany ireo vahoaka :

Noho ny rivotra mando any antoerana, dia tena ilaina ny fikarakarana ny fatana masoandro :

ADES TOLIARA

JME 2016 Nifamotoana teo Ankilisoafilira ireo mpiantsehatra miaro ny tontolo iainana, ny faha 3 ny volana Jona 2016, notronin’ireo manam-pahefana avy eto an-toerana, nokarakarain’ny DREF Atsimo Andrefana. Nisy ny fanatanterahana « carnaval » niarahana tamin’ireo mpianatra sy mpiasa avy amin’ireo orinasa tsy miankina mpiaro ny tontolo iainana toy ny : GIZ, ADES, WHH, WWF, TAMIA, WCS, MNP Mikea, MBG, Blue Ventures. « Ndao hiady amin’ny varotra antsokosoko ireo voahary dia » io no lohahevitra lehibe novoaboasana nentina nakalazana ny andro iraisam-pirenena hoany tontolo iainana ny taona 2016.

Maro ny hetsika nentina nankalazana izany. Ankoatra ny « carnaval » dia nisy koa ireo tranoheva nampirantiana ireo vokatra sy ny fomba entin’ny orinasa tsirairay miaro ny fahasimbany voahary dia. Tao koa ny fanatanjahan-tena :

Mpahazo tombotsoa iray tao Belo

Mpanao hôtely ao Belo sur Mer

JEAN MAKOZY, manentana momba ny fatana masoan-

dro tao Belo sur Mer

Raynal, mpamily fiarany ADES Morondava eo ampikarakarana ny fatana masoandro tany Belo

ELIASY Maheny Léon

Ireo manam-pahefana mitsidika ny tranohevany ADES

Page 9: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

9

Ireo manam-pahefana manatrika ny lanonana

RASOANIRINA Oméga

Tale Teknika ny ADES manazava ny dingana fanamboarana ny briquette

FIARAHA MIASA AMIN’NY FIKAMBANANA MITSIKY ANAKAO

Teo ampanentanana sy ampanehoana ny fatana ADES teo amin’ny tora-pasiky ny moron-dranomasina tao Anakao, ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanana Mitsiky dia ton-ga nitsidika sy liana tamin’ny fampirantiana fatana sy fahan-droana sakafo amin’ny fatana masoandro. Nanararaotra nanazava ny tombotsoa azo amin’ny fampiasana ny fatana ADES ireo mpanentana.

Resy lahatra avy hatrany, naloany Fikambanana ny 50% ny vidim-patan’izay olona tonga nividy fatana. Liana avokoa izay rehetra nahita ary dia tsy ampy ny fatana izay nentina tany Anakao.

Noho ny fahitana izany dia nanapa-kevitra ny Fikambanana fa hanohy ny fiaraha miasa amin’ny ADES, ary dia nampa-nao fanadihadiana ny ADES, hahafantarana ny isan’ny fatana mitsitsy tokony mbola ilainy vahoaka tao Anakao. Vokatry ny fanadihadiana : mila fatana mitsitsy 200 ny va-hoaka any ka ny 190 OLI-c ary ny 10 kosa OLI-45c. Ny volana Aogositra lasa teo no notanterahina ny fizarana izany fatana izany tany Anakao. Tonga maro ireo vahoaka nividy fatana ary na dia teo aza ny fanadihadiana natao hamantarana mialoha ny olona te hahazo fatana dia mbola tsy ampy ihany ny fatana mitsitsy 200 nozaraina tany. Noho izany dia mbola manantena ny hitohizan’ny fiaraha miasa ireo mponina ao Anakao.

FIARAHA MIASA AMIN’NY WHH

Tamin’ity taona ity ny Projet PAPE (Projet d’Agro-écologie et de Protection de l’Environnement) ny WHH (Welt Hun-gerHilfe) dia nanatanteraka asa fiarovana ny zava-boahary Fanehoana fahandroana amin’ny fatana masoandro

natrehan’ireo mambra ny fikambanana Mitsiky

Ireo mpahazo tombotsoa sy ny OLI-c

Ireo vahoaka milahatra hividy fatana mitsitsy

RAZAFIMANARANTSOA Andriamifidy

Page 10: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

10

zavaboahary izay niarahany miasa tamin’ny ADES Toliara. Izany hetsika izany dia nanaovana fizarana fatana mitsitsy miisa 3 950 ka ny 2170 fatana mitsitsy saribao ary ny 1780 fatana mitsitsy kitay amin’ny vidiny mihena 50 % hoan’ny vahoaka manodidina ny valan-javamboaharim-pirenena Zombitse– Vohibasia (Kaominina : Miary Lamatihy, Sakaraha, Andranolava, Besakoa) sy ny Ala Mikea (Kaominina : Marofoty, Manombo, Milenake, Ankililoaky, Analamisampy).

Toy izao ny fizotrany asa natao : Herinandro voalohany : fanentanana,

fampahafantarana, fanapariahana, fanehoana ny fahandroana ary indrindra fanofanana amin’ny fahandroana amin’ny fatana mitsitsy.

Herinandro faharoa : fametrahana ny fandoavam-bola tokana (guichet unique)

Herinandro fahatelo : Fizarana fatana mitsitsy. Ity hetsika ity dia natao mba hanatsarana ny fari-piainany mpahazo tombotsoa amin’ny fampihenana ny vola lany isan’andro amin’ny saribao sy kitay ary koa hampihenana ny fahasimbany ala.

FESTIVAL KARITAKY TAO IHOROMBE

Ny faha 05, 06, 07, 08, 09 sy 10 Septambra 2016 no natao ny « FESTIVAL KARITAKY » andiany faha 8 tao amin’ny Faritra IHOROMBE Kaominina RANOHIRA. Toy izao ny ambangovangony : ny andro voalohany, fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lanonana, narahana « carnaval » amin’ny fitafy KARITAKY izay nandraisan’ny rehetra anjara hatramin’ireo mpitondra fanjakana tao an-toerana. Teo anoloanan’ny biraony Kaominina no natao ny lanonana. Nisy ireo tranoheva nanaovana fampirantiana. Ny andro manaraka nisy ny fampisehoana hira antsehatra sy alim-pandihizana nafanain’ireo mpanakanto ary koa fifaninanana mandihy KARITAKY. Ary ny andro farany dia ny famaranana ny lanonana. Ny ADES dia nandray anjara feno tamin’ny lanonana : ny « carnaval » tamin’ny fiara sy ny fampirantiana t amin’ny tranoheva ireo fatana ADES. Nisy koa fanentanana, fampisehoana fahandroana amin’ny fatana ADES ary varotra fatana nandritra ny 5 andro nisiany lanonana, betsaka ireo olona liana tamin’ny vokatra vokarin’ny ADES.

Ekipan’ny ADES sy WHH vonona hizara ny fatana

Guichet unique

Fanentanana, fanehoana fahandroana sakafo sy fanofanana

RAZAFIMANARANTSOA Andriamifidy

Sary famantarana ny FESTIVAL KARITAKY

Page 11: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

11

ADES NASIONALY

TSIRIM-PIARAHA MIASA EO AMIN’NY ADES SY N.D.N.

Nitsidika ny Kolejy « Notre Dame de Nazareth » Toliara ny ekipan’ny ADES Direction Nationale, ny faha 17 Aogositra 2016 niaraka tamin’ireo solontenan’ny Komity ny Eco-école ao amin’ny Kolejy. Ny tanjon’izany fitsidihana izany dia : namantatra ireo sahan’asa sy ny tanjony avy, ireo lohahevitra sy ny lamina ary indrindra nijery ifotony ny fanatanterahana ny tetikasa ny Komity Eco-école. Izany no natao dia mba hizahana ny fomba hahafahany roa tonta miara miasa. Nanazava ny sahan’asa atao ao ny Masera Tale izay mifototra amin’ny lohahevitra 10 ( fahasalamana, kolontsaina, biodiversité, rano, fanatanjahantena……), notantarainy tamin’izany ny karazam-piaraha miasa misy teo amin’ny Kolejy sy ny WWF (Madame RACHELLE) amin’ny Eco-école sy ny Cnaps tamin’ny fanamboarana ny vala nambolena zana-kazo. Misy efatra ny Eco-école eto Madagasikara ary isan’ireo ny Kolejy NDN nanomboka ny taona 2015. Notsidihanay avokoa ny sahan’asa ara ekolojia ny Kolejy :

Fanasana tanana mitsitsy rano Tanim-bonikazo isaky ny kilasy Bio-boule Zaridaina Pôm-bonikazo vita amin’ny vatana voanio Fampiasana fanindroany ny boaty plastika ambolena

vonikazo Zezika biolojika Tekinikam-panondrahana moderna ny zaridaina Tanin-janakazo Voly hazo ao anatiny Kolejy sy ny manodidina.

Ankoatrany tranoheva dia nanaovana fanentanana ihany koa teo amin’ny

olon-tsotra mpivarotra fatana ADES : FITAHINA

Ireo manam-pahefana mitsidika ny tranoheva ny ADES, resy lahatra amin’ny fanazavana ny tombotsoany

fampiasana ireo fatana , nividy OLI-c izy ireo

Fiaran’ny ADES tamin’ny carnaval

RAZAFIMANARANTSOA Andriamifidy

Fihaonan’ny ADES sy ireo mambra ny Komity ny Eco-école N.D.N.

Page 12: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

12

Naneho ny fanirian’izy ireo hiara miasa amin’ny ADES ny solontenan’ny Komity ny Eco-école mba hanokafana ny fampiasana ny bio-boule amin’ny fatana mitsitsy saribao, ny ADES ary dia nitondra tamin’ny “bio-boules” mba hanaovana fanandramana aty amin’ny ADES.

Te hanamboatra lava-drano sy famorian-drano mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Nambaran’ny Tale Mesera fa hisy fiofanana homena ny Komity ny éco-école NDN ho karakarain’ny WWF ary hifandray amin’ny Ramatoa Rachelle ao amin’ny WWF ny Programme ecole mba hijery ny fomba fanatanterahana izany sy ny fizarazarana ireo lohahevitra 10 ireo, mba hiarahana miasa amin ‘ny hoavy.

FANOFANANA RAY AMAN-DRENI’NY MPIANATRA

Sekoly telo no nofidiany ADES amin’ny tetikasa andrana vatsian’ny Kindermissionswerk vola : Sekoly Marie

Morreau Ankalika (EMMA), Sekoly Andry Miahy ny Kamboty (AMIKA), Sekoly Sacre Cœur Mahavatse. An’ny Misiona katolika avokoa ireo sekoly ireo. Nanofana ny ray aman-drenin’ny mpianatra avy amin’ireo sekoly telo ireo ny ekipan’ny Programme Ecole ADES tamin’ny 29 Jona sy 01 Jolay 2016, samy nomena daty avy isaky ny sekoly. Ny maraina dia nianatra mampiasa ny fatana masoandro izy ireo. Nanomana karazan-tsakafo maro izy ireo : ny mofo mamy tamin’ny fatana masoandro, ny vary nandrahoina tamin’ny paraboly, ary laoka nandrahoina tamin’ny fatana mitsitsy.

Tamin’ny ankapobeny dia nampiasaina avokoa ireo karazam-patana rehetra : fatana masoandro, Paraboly, OLI-45c, OLI-60b. ireo ray aman-drenin’ny mpianatra no nanomana ny sakafo rehetra sy nampiditra azy tao anaty fatana. Mandrampahamasaky ny nahandro, ireo ray aman-drenin’ny mpianatra dia nitsidika ny trano famokarana fatana sy ny trano ampirantiana ireo fatana teto amin’ny ADES.

Fitsidihana ny zaridaina ny N.D.N.

Ny ekipa ADES sy ireo mambra ny Komity Eco-école N.D.N.

RASOANIRINA Oméga

Ireo ray aman-drenin’ny mpianatra manomana ny mofo mamy sy mihaino ny fanazavana ny

fomba fampiasana fatana

Page 13: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

13

Notohizana tamin’ny fiofanana izany. Nampahafantarana azy ireo ny tombotsoa azo avy amin’ireo fatana ADES, ny teknika fahandroan-kanina amin’ny fatana ADES sy ny olana ara-tontolo iainana eto Madagasikara, ary ny vahaolana atolotry ny ADES. Taorian’ny sakafo antoandro, dia notohizana tamin’ny fijerana horonan-tsary sy tomban’ezaka ny fiofanana.

FANOFANANA IREO MPANABE Nisy ihany koa ny fiofanana nomena ny mpanabe eny amin’ny sekoly ambaratonga voalohany ny 25 sy 26 Jolay 2016 ary ny any mpanabe avy amin’ny sekoly ambaratonga faharoa ny 01 sy 02 Aogositra 2016. Maro ireo lohahevitra ara-tontolo iainana nomena : ny masoandro sy ny angovo azo avy aminy, ny olana aterakin’ny fahasimbany ala eto Madagasikara, ny CO2 sy ny hafanany toetr’andro, … Ny tanjona tamin’ny fanofanana ireo mpanabe dia ny mba hanamafisana ny fahaizan’izy ireo manazava ny olana ara –tontolo iainana amin’ny fitaovana tsotra, sary, traik’efa, boky sy horonan-tsary.

Faly ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpanabe teo ampamaranana ny fiofanana, ary dia te hividy ny fatana ADES, ary naniry ny hisiany fiofanana faharoa hanamafisan’izy ireo ny fahalalana efa azony.

Fampiofanana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra

Ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mahandro amin’ny fatana masoandro sy paraboly

Haja Nirina RANAIVO

Ireo mpanabe mitsidika ny trano famokarana ADES

Fanofanana ireo mpanabe hampiasa ireo fitaovana tsotra nataon’ny Tomponandraikitry ny PE

Haja Nirina RANAIVO

Page 14: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

14

RAZAFINDRAFENO Anatolie

FANOFANANA OLON-TSOTRA MPIVAROTRA FATANA ADES

Tamin’ity taona 2016 ity ny ADES dia nanome ary mbola hanome fampiofanana ireo mpaninjara vokatra miara-miasa aminy. Ny tanjona amin’izany dia ny mba ho fam-pahafantarana bebe kokoa ny tetikasa, ireo entana vo-kariny ary ny fomba fiasany. Ny fiofanana voalohany dia natao tao amin’ny “restaurant Tournesol” Esokake Tolag-naro ny 22 Jona lasa teo. Dimy ny mpaninjara nandray an-jara tamin’izany dia Rtoa Noro sy Rtoa Misa samy avy ao Fort/Dauphin, Atoa Théophile, avy any Tsihombe : Rtoa Bakoly, avy any Ambovombe : Rtoa Yollande. Sambasam-ba no nisy izany tato amin’ny ADES. Noho izany dia ireo mpandrindra-paritra roa, atsimo sy avaratra no niara-nisalahy nanatontosa ny fampiofanana. Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’ireo mpanentana Christian Rekotiarisoa sy Aroniaina. Lohahevitra vitsivitsy no nofakafakaina tamin’izany : fampa-hafantarana ny ADES, ireo politika ara-barotra, ny fifandrai-sana amin’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES, ireo fitaovana entina hanentanana sy hampahafantarana ny fatana ADES, ny tontolo iainana ary ny fampiharana fan-drahoana mba ampitahana ny fatana mitsitsy sy ny fatape-ra tsotra. Ny fiofanana faharoa dia natao tao amin’ny trano fivoriany ADES Mahazengy Fianarantsoa ny 1 Septambra 2016. Nialohavan’ny fitsidihana ny toeram-pamokarana ny fiofa-nana mba hanehoana amin’izy valo mianadahy mianaka olon-tsotra mpivarotra fatana ADES ireo dingana arahina rehefa hamokatra fata-mitsitsy. Anisan’izany Rtoa Hasina eny Ampitakely, Razafimanantsoa Gabriel any Ambositra, Atoa Christophe eny Mahaditra, Atoa James eny TTM, Atoa Randria Herisaonina Jean Noelison eny Isorana, Atoa Rakotomalala Josué Ranco avy any Ranomafana, Rtoa Rasoazanamanitra ao Ambalavao, Rtoakely Elinah eny

Anjomà. Nandray anjara ihany koa ny tale Herilalao Barini-rina Marie Cécile, ireo mpanentana ao amin’ny ADES Fia-narantsoa : Aristide, Lalaina ary Xavier. Ny mpandrindra-paritra atsimo kosa no nampiofana notronin’i Aroniaina Soanatao Andrie. Ho an’ny rehetra dia nahazoambokany ireo fiofanana tany Tolagnaro sy Fianarantsoa satria nahafahana namaritra ny andraikitry ny andaniny sy ankilany ary nahafahana niton-dra vahaolana amin’ny fahasarotana miseho indraindray. Nahafahana nihaino ihany koa ny hevitra sy toro-hevitra avy amin’ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES.

Mbola hisy fiofanana any amin’ny faritra hafa fa raha atao bango tokana dia fahombiazana tokoa no hita amin’ny fam-piofanana ireo olon-tsotra mpivarotra fatana ADES.

Fampiofanana olon-tsotra mpivarotra fatana ADES tao Tolagnaro

Ireo mpiofana sy mpampiofana ADES

Fampiofanana olon-tsotra mpivarotra fatana ADES tao Fianarantsoa

Page 15: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

15

FETIM-PIRENENA 2016 Amin’ny maha ONG Suisse-Madagascar ny ADES, ireo mpiasa eto amin’ny ADES Toliara dia manatantekara ny filaharana isakin’ny fetim-pirenena Malagasy arahany fampirantiana eny ambony fiara ny fatana vokarin’ny ADES. Fatana masoandro sy ireo fatana mitsitsy kitay sy saribo. Nangotrakotraka tokoa ny fankalazana izany faha 56 taona nahazoan’ny Malagasy fahaleovantena izany.

Tonga maro ireo fikambanana sy ONG miankina sy tsy miankina, mpianatra, ireo mpanao fanatanjanhatena sy ireo antoko politika. Naharitra adiny maromaro ny filaharana izay natao teo amorondriaka. « Madagasikara mandroso no tanjona iombonana » io no loha-hevitra nentina nankalazana ity fetim-pirenena faha 56 taona ity.

FIARAHA MIASA AMIN’NY ONG BEL AVENIR

Mitohy hatrany ny fiaraha miasan’ny ADES sy ny ONG Bel Avenir eto Toliara. Ankoatran’ny fiaraha miasa teo amin’ny famoahana ny boky “Toky et le roi soleil” sy ny fametrahana “vitrine “ny vokatra ADES any amin’ny “site” ny ONG Bel Avenir Mangily. Ho fampitaovana ireo tanora mpianatra manjaitra, informatika, elektrisite, manao mofo sy mahandro sakafo tao amin’ny Ecole Professionnelle ONG Bel Avenir Ankiambe, dia notolorany fatana mitsitsy saribao ADES ireto farany mba hampiasainy amin’ny fahandroana sakafo izay notovoziny. Fatana miisa 25 no novidina ka 9 no natolotra hoan’ireto tanora nahavita ny fiofanany fa ny sisa kosa hatolotra ny mpiofana manaraka. Marihina fa tanora tsy an’asa ireto nomena fiofanana tsy andoavan-tsarany ireto mba ahafahany mampidi-bola hoan’ny fianakaviana. Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanolorana fanomezana ireo mpianatra nahazo vokatra tsara indrindra tamin’ny taom-pianarana 2015-2016, sy nitsofan-drano ireo mpianatra hanao fanadinana ara-panjakana BEPC, raha toa ka 75% no afaka CEPE.

Fampitaovana ireo mpiofana nahavita hatramin’ny farany ny fiofanana

RASOANIRINA Oméga

Ireo mpiasan’ny ADES milahatra mankalaza ny fetim-pirenena Malagasy

RASOANIRINA Oméga

Page 16: fanofanana ny olona hampiasa ny fatana masoandro sy fatana ...solarkocher.ch/images/download/bulletins/2016_11... · amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny endriny maro isan-karazany,

16

RASOANIRINA Oméga

FISAORANA

Ankafaliana lehibe no isaoranay ny fandraisan’anjaranareo rehetra

amin’ny fahafoizanareo fotoana mamaky ity gazety ity, satria ity dia vokatry ny asa mafy

nataon’ny ADES sy ireo mpiara miombonantoka maro nanatanteraka mba hitondrana

vahaolana amin’ny mahomby amin’ny fahasimbany tontolo iainana .

Misaotra amin’ireo mpiara miasa rehetra avy any amin’ny Centres ADES

no ho ny fanehoan’izy ireo etoana ny ezaka hanovana ny toem-piainany olona mba hitia ny

zavaboahary.

Isaorana indrindra ireo mpiara miombonantoka amin’ny ADES tsy

ankanavaka izay nifampizara tanjona, ezaka, sy fahalalana mba hitondrana avo ny ady

ataontsika mba hananany rehetra tontolo iaianana madio.

Misaotra betsaka an’i Ramatoa Isabelle MARTHALER-MARTY, noho ny

faharetany, noho nyfahalalany ary indrindra ny hitsim-pony teo amin’ireo mpiasan’ny ADES,

izay nahatsapanay fa fianakaviam-be iray ny ADES nandritra ny fotoana nitoerany teto

aminay. Betsaka ny lesona noraisin’ny ADES taminao, misaotra tamin’ny fiarahanao niasa

aminay tao anatin’izay roa taona izay !

Ireo adiresin’ny ADES :

Direction Nationale :

Toliara Betanimena Tél : +261 94 444 63 E-mail : [email protected]

Centres :

Antananarivo Ambohijatovo Avaratra Bâtiment Imanga kely près de JIRAMA Tél: +261 22 377 93/+261 032 05 297 67 Email : [email protected] Antsirabe Ampihaviana Immeuble Volavita Tél : +261 032 05 297 54 E-mail : [email protected] Ejeda Tél : +261 032 05 411 70 Email : [email protected]

Fianarantsoa Ambalamarina / Mahazengy Tél : +261 032 05 277 54 Email : [email protected] Mahajanga Villa Cassidy Antanimasaja Tél: +261 032 05 622 63 Email : [email protected] Morondava Sanfily Tél : +261 95 940 02 Email : [email protected] Toliara Ampasikibo villa Masoandro Tél: +261 94 445 44/+261 033 08 457 54 Email : [email protected] SUISSE : Regula Ochsner, Fondatrice

ADES im Grindel 6 CH-8932 Mettmenstetten, Tél : +41(0) 44 466 60 50 E-mail : [email protected]

www.adesolaire.org