torolalana ny amin’ny · mamay be ny andro sady mandoro be ny masoandro. lasa lava kokoa ny...
Post on 26-Oct-2020
20 Views
Preview:
TRANSCRIPT
TOROLALANA NY AMIN’NY HAITAO ARA-TEKNIKA MIKASIKA NY FAMBOLENA, NY FIOMPIANA TRONDRO ARY NY JONO MANOLOANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO
Bokim-pampiofanana natokana
hoan’ny faritra Analamanga
MARTSA 2020
FIZAHAN-TAKELAKA
FISY I : FIOVAN’NY TOETRANDRO .................................................................................................................... 1
FISY II : HAITAOM-PAMBOLENA MAHOMBY ................................................................................................ 4
FISY III : FANDRINDRANA NY RANO ................................................................................................................ 5
FISY IV : FIAROVANA AMIN'NY RIAKA ............................................................................................................. 6
FISY V : NY ZEZIKA ................................................................................................................................................. 8
FISY VI : VOLY LEGIOMA ..................................................................................................................................... 12
FISY VIII : HAZO FIHINAMBOA ......................................................................................................................... 14
FISY IX : FIADIVANA AMIN'NY ARETINA SY NY BIBIKELY ........................................................................ 16
FISY X : FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY.............................................................................. 18
FISY XI : FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY....................................................................................... 21
FISY XII : FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO ................................................................................................. 23
FISY XIII : KARIPA SY TILAPIA ............................................................................................................................ 25
FISY XIV : FIOMPIANA ZANA-TRONDRO ..................................................................................................... 27
I. FIOVAN’NY TOETRANDRO
1
Fiovan’ny toetrandro
Dia nohon’ny fanelezana etona maro vokatry ny asan’olombelona.
Ireo etona ireo dia antsoina hoe “Etona Mangeja Hafanana (EMH)” ary
manimba ny taharon’ny atmosfera maneran-tany.
Fiovana voajanahary: izay ateraky ny lalam-pivoarana anaty
voajanahary na avy amina faneriterena ivelany.
Inona ireo asan’olombelona izay miteraka ny fiovan’ny
toetrandro?
Maro ireo seham-pihariana tsy maharitra ataon’ny olombelona noho
izy ireo izay manimba ny tany. Ohatra amin’ny izany ny fitrandrahana
ny fandrehitra sisan-karingarina (arina, solitany,...), ny fandripahana
ala, ny fambolena, ny indostria, ny fitanterana, sns.
Raha araka ny salanisa mahakasika ireo kasinga (orana, mari-pana, rivotra, havandra, sns) mandrafitra ny
toetrandro eto Madagasikara dia hita fa amin’ny ankapobeny dia: (i) ny haintany dia lasa lava kokoa ary
miseho matetika ary (ii) ny rivodoza dia miha-mafy kokoa ary miteraka fahasimbana maro.
Ny fiovan’ny toetrandro dia manana fiantraikany amin’ny seham-pihariana maro toy ny fambolena,
fiompina trondro sy jono. Ireo seham-pihariana ireo
no anisan’ny tena tsapan’ny mpikamban’ny
TAFOMIHAAVO fa miatrika fikorontanana maro
noho izay fiovan’ny toetrandro izay.
Araka ny fahatsapan’ny mponina teny ifotony
amin’ny faritra Analamanga izay nanaovana ny asa
fanadihadiana ny taona 2019 dia ireto ny marika hita
sy tasapa amin’ny fiovan’ny toetrandro.
I. FIOVAN’NY TOETRANDRO
2
Orana Mari-
pana Haintany Rivodoza Havandra
Rivotra
Fohy ny rotsak’orana ary
miangona amin’ny fotoana
fohy sy avy be ny orana. Misy
ny andro ratsy isian’ny
tondradrano marikitra ny
Sambirano ka simba ny voly
manodidina rehetra
Mitanila matetika ny
rotsak’orana
Mamay be ny
andro sady
mandoro be ny
masoandro.
Lasa lava
kokoa ny
fotoanan’ny
haintany
Lasa misy
rivodoza
mahery vaika
izay tsy
mahazatra ny
faritra
Tsy lisy ny
havandra
Mihamafy
kokoa ny
fitsioka ny
rivotra
varatraza
Ireo fiovan’ny toetrandro ireo dia misy fiantraikany maro eo amin’ny seham-piharian’ny fambolena,
fiompina sy jono izay asa fototra ataon’ny akamaroan’ny mpikamban’ny TAFOMIHAAVO Analamanga
Fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro Fepetra raisin’ny eny ifotony amin’ny
fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro
Fambolena
- Mikorontana ny kalendarim-
pambolena ka tsy afaka manaraka
ny fomba mahazatra fahiny intsony
- Mihena ny tsiron’ny tany
- Mijaly rano ny voly, rano tsy ampy
na be loatra
- Mihena ny vokatra
- Mitombo sy mihamafy ny aretina sy
bibikely manimba voly
- Fampiasana ny vary malaky
- Fampiasana ny tanimbary in-telo na in-
efatra isakin’ny taom-pambolena
- Fanaovana karazam-boly toy ny voly
legioma
- Fampiasana ny zezi-pahitra avy amin’ny
ondry sy ny osy
- Fampitomboana ny masomboly
ampiasaina (5 na 6 isaky ny lavaka
hoan’ny tsaramaso)
Jono
- Mihena ny fotoana afahana
manjono
- Mihena ny vokatra azo
- Miha-maro ireo hazan-drano izay
tsy dia manana lanja eo amin’ny
tsena ary tsy dia tsara tsiro
- Fifindra-monina amin’ny faritra mbola
maro trondro
1
II. HAITAOM-PAMBOLENA MAHOMBY
4
Mihisa ho efatra (4) ireo singa fikarakarana izay TSY MAINTSY ataon’ny mpamboly amin’ireo singam-
pamokarana rehetra mba ho voly mamokatra sy tany fambolena maharitra mifanaraka amin’ny fiovan’ny
toetrandro.
1) Fitantanana maharitra ny tany fambolena
Efa hita sy tsapan’ny tantsaha maro fa tena mihena ny vokatra ary miha-ratsy ny tany fambolena. Ny tany
no fototra voalohany hiakinan’ny famokarana ara-pambolena
satria ao daholo ny sakafo ilain’ny voly. Ka noho izany tsy maintsy
atao ny mitondra izany sakafo izany mba hananana tany masaka
hahazoana vokatra tsara sy mba haharitra ny tany fambolena.
Ny zezim-pahitra azo avy amin’ny fiompina (omby, akoho sy
vorona, ondry, osy,..), ny zezika maitso, ny kaomposta dia afaka
hampiasana avokoa. Marihana fa ny zezibazaha na zezika simika
dia manaratsy ny tany rehefa ela avy nampiasana noho izy ireo
manamafy ny tany, mandoto ny rano ary mamoaka etona mangeja hafanana. Fa ny famelana ny tany
hiala sasatra ary ny fandrindrana ny voly atao eo amin’ny tany fambolena ihany koa dia antoka iray
mitondra hoany amin’ny fampiasana maharitra sy fahazoana vokatra hatrany.
2) Fitantanana ny rano
Ny rano dia sakafo fototra hoan’ny voly kanefa ankehitriny dia
tsapan’ireo tantsaha fa ny fiovan’ny toetrandro dia
manakorontana ny rotsak’orana ka matetika dia mijaly rano ny
voly. Raha tiana hamokatra ny voly dia mila mandritra tsara ny
fitantanana ny rano ny mpamboly.
Maro ireo paik’ady azo atao mba hananana rano tsara tantana.
Izany dia miainga amin’ny fikarakarana ny tany ho fitehirazana ny rano, ary fametrahana teknika
fanondrahana maharitra sy tsara tantanana hoan’ireo izay faritra be rano (Jereo ny FISY III).
3) Fampiasana masomboly tsara kalitao
Ankehitriny dia maro ny fanatsarana ataon’ny mpikaroka ara-
pambolena mba hamokarana masomboly mifanaraka amin’ny
fiovan’ny toetrandro. Ny fampiasana masomboly mifanaraka
amin’ny toetany sy fiovan’ny toetrandro dia miantoka vokatra
tsara ary tokony tsy ho tsiniavina ESORY: ireo lanin’ny biby, ireo
miova ny endriny, ireo izay maivana.
4) Voly tsara tantana
Ny fanarahana ireo dingana rehetra ireo sy ny fikarakarana tsara ny voly mandritra ny fitomboany dia antoka
lehibe raha tian’ny tantsaha iray ny hamokatra sy hanana tany fambolena maharitra.
III. FANDRINDRANA NY RANO
5
Ny rano dia singa lehibe izay tena mampijaly ny fambolena ao amin’ny faritra Analamanga noho io
fiovan’ny toetrandro satria miha-lava ny haintany ary mihamafy kokoa.
1) Ireo haitao fampiasa antanimbary
Fanaovana tata-belona
- Eo anelanelan’ny vodi-tanety sy ny tanimbary dia tsy maitsy asina
lakan-drano lalina tsara (70sm eo ho eony halaliny; azo atao
hatramin’ny iray metatra raha ilaina).
- Atao manodidina ny lohasaha misy ny tanimbary izany tatatra
izany. Io tatatra io dia misintona ny rano nahapetsapetsa ny
tanimbary ka mihantona izany ny tanimbary ary maina tsara.
Fampidirana rano fanondrahana
- Rano mafana syampy rivotra tsarany rano enti-manondraka ny
tanimbary.
- Rano tarihina avy lavitra (avy amin’ny loharano, dobo, farihy) ka
efa namakivaky toerana lavidavitra, efa nahazo ny hafanan’ny
masoandro teny an-dalana teny ny rano.
- Ampidirina amin’ny alalàn’ny fantsona: vy, volo be, hazo
noloahina, sns
- Ny fianjeran’ny rano amin’ny fampiasana ny fantsona dia ny mba anaovana gararana ka mampiditra
rivotra anatin’ny rano izany
- Amin’ny alina no ampidirana ny rano araka ny ahavony ilaina ary avela hitsika amin’ny antoandro.
2) Ireo haitao fampiasa an-tanety
- Ny “billon” na tahalaka dia tany avoatra ka atao
manaraka maridrano mba hiadiana amin’ny
fikaohan’ny riaka
- Misy ny fotoana afaka ametrahana ny voly
ambonin’ny tahalaka ka miankina amin’ny tontolo
manodidina sy ny paozin’ny tanety.
- Fanamarihana : Fampiasa eny an-tanimbary ihany
koa izy io ka miendrika ho fihazonan-drano (toy ny
hita amin’ny sary eo ankavanana)
IV. FIARVOANA AMIN’NY RIAKA
6
Maro ny tany fambolena no mijaly noho ny fikao ny riaka ny eny ambony ary manototra ny tany fambolena
antanimbary sy vody tanety aryireo farihy.
Manan-danja ny fikirakirana sy ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny fandrindrana ny tontolo iainana. Ny
tanety tsara rafitra sy voavoly araky ny tokony ho izy dia antoka iray ho fiarovana ny voly izay ambany
toerana dia ny voly an-tanimbary izany.
Ny fambolen-kazo antanety no fototra voalohany iarovana ny voly eny ambany toerana. Ny sary hita
eo ambony dia maneho fa miaro amin’ny rotsak’orana ny hazo ka manena ny fiotsahan’ny tany eny
ambony. Ny fakan’ny hazo ihany koa dia manampy amin’ny fiotsehan’ny rano any anatin’ny tanimboly ka
manatsara ny vokatra ho azo.
Ny voly an-tanety
Eny an-tanety mikisilasila matetika no ahitàna nyvoly antanety toy ny voly vary! Tokony ho tandremana
mafy noho izany ny riaka sy ny fahatotoran’ny tanimbary aterak’izany.
Ireo tokony atao iarovana amin’ny fihotsahan’ny tany
1. Tokony manao vahilava manaraka
marin-drano ny fiasàna ny tanety ary
manao antana-tohatra.
2. Asiana vody tanim-boly hatramin 1
metatra ka voavoly zava-maniry atao aro
riaka (mandavan-taona raha azo atao, oh.
vetivert na arachis perenne) mba
hiarovana ny nofon-tany tsy ho
kaohin’ny riaka.
3. Manalefaka ny fikorianan’ny rano ny
fanaovana valalava marin-drano ary miaro ny nofon-tany tsy ho lasan’ny riaka. Raha diso misilasila
loatra nytany dia tokony ho teritery sy matetika kokoa ny vahilava marin-drano miaraka amin ny
vodi-tanimboly aro riaka.
IV. FIARVOANA AMIN’NY RIAKA
7
Marihina ihany koa fa ny fametrahana fefy eny amin’ny tanimboly dia endrika iray hiarovana amin’ny
fikaohan’ny riaka. Misy karazany roan y fefy manoloana izany :
1) FEFY VELONA
i. Ny fefy velona dia miasa ho fiarovana ny tanimboly
amin’ireo fahavalo maro toy ny biby, ny bibikely
ii. Loharanom-bola ary manampy amin’ny fiarovana
ny tontolo iainana
iii. Manome anjara asa amin’ny ady amin’ny fiafazan’ny
rivotra sy ny fikorinan’ny rano mafy be loatra
iv. Manome aloka hoan’ny mpamboly sy ny biby
v. Mamaritra ny tanimboly
vi. Miaro amin’ny ala-botry eny an-tanimboly
vii. Manampy ny voly amin’ny fitombonan’ny fakany sy ny
fidiran’ny rano anatin’ny tany
viii. Ohatra : Raketa sy ny fefy tsilo izay hita amin’ny sary ary
manome aina sy tsiro ny voly, ireo karazan-kazo maro samihafa
toy ny hazo fihinamboa.
2) FEFY MATY
Ny fefy maty dia fefy vonjimaika vita amin’ny ratsan-kazo
sy fakan-kazo na vato/fasika, atao mifanaingina, ahafahina
miady amin’ny riaka, sy ny rivotra.
- Afaka atao fefy vonjimaika iarovana amin’ireo mety ho
fahavalon’ny voly
- Miasa ho aroafo. Ohatra fefy azo apiasana :biriky,
baingan-tany, sns
VI. NY ZEZIKA
8
Ny fiovan’ny toetrandro dia manana fiantraikany mivantana sy tsy mivantana eo fiovan’ny tsiron’ny tany.
NY ZEZIKA dia :
- Entina hanatsarana ny toetry ny tany indrindra ny eny an-tanety izay tsy dia lonaka loatra,
- Hanatsarana bebe kokoa ny tanimbary (raha voly avotra no atao)
- Ho sakafon’ny zava-maniry
1) ZEZIBAZAHA
Tsy dia tsara ny fampiasana ny
zezika simika noho ny voka-
dratsiny eo amin’ny tontolo
iainana (NPK, urée…)
- Ny NPK dia manamafy ny tany raha ohatra ka
tsy ampy ny zezika organika ampiasaina, satria
ho tsihifin’ny voly avy hatrany ny NPK ka tsy ho
ampy ny akora manamasaka ny tany.
- Ny NPK dia mandoto ny rano sy ny rivotra ihany
koa, satria mamoaka entona miatraika amin’ny tontolo iainana.
2) ZEZIKA ORGANIKA :
Misy karazany maro ny zezika organika :
a) Zezi-pahitra
Azo avy amin’ny fahalovan’ny tain’omby sy ny lafika natao an-tranon-biby
ary mahalonaka ny tany:
1. Hatao betsaka sy soloina matetika ny lafiky ny biby mba hifoka tsar
any tay sy ny amanin-biby
2. Hamboarina ny toerana misy ny zezika mba tsy hisian’ny fitsihana
be loatra;
3. Tandremana tsy ho maina ary tondrahana rano matetika
b) Zezika kisoa
Ny zezika azy avy amin’ny kisoa dia azo avy amin’ny tai-kisoa, ka
afangaro amin’ny bozaka maina sy ny vilona. Angonina ka afaka
ampiasaina amin’ny voly akoatra ireo zay voly ho anina manta toy ny
(salady, frezy…) noho izy mety mankarary.
VI. NY ZEZIKA
9
c) Zezik’osy sy ondry
Ny mampiavaka azy ireo dia izy masiaka. Mba ahatsara azy dia afangaro
amin’ny zezi-pahitra na zezika kisoa.
d) Zezika taim-bakona sy ny avy amin’ny bitro
Anisan’ny zezika masiaka ihany koa izy ireo, ka mampamokatra be raha to aka
afangaro amin’ny tahom-bary sy vilona.
3) ZEZIKA VOAVOATRA NA KAMPAOSITA
Azo avy amin’ny fifangaroan’ny fakon-java-
maniry sy taim-biby ary avela hiara-lo.
Ireo fako ampiasaina : ahi-dratsy - taho sy
voditaho voapotipotika (laisoa, sns) - tahon-
katsaka sy voly efa malazo toy ny ovy, voatabia,
mangahazo – vilona isan-karazany
notapatapahina madinika – faikam-boanjo,
ravin-kazo sy tapa-kazo – hoditra legioma,
legioma sy voankazo lo – taim-biby isan-
karazany – lavenona avy amin’ny kitay ahazoana
potasy.
1. Apetraka amin’ny toeranamaloka tsy azon’ny
masoandro ireo fakofako;
2. Ampifangaroana amin’ny tany;
3. Tondrahana matetika mba hiara ho lo tsara
ny tany sy ny fakofako
4. Haroina matetika sy afatratra tsara
5. Rakofana tany
6. Vita ary azo apiasana afaka telo volana
VI. NY ZEZIKA
10
4) ZEZIKA MAITSO
Ireo dia karazana zava-maniry izay mahalonaka ny tany. Izy ireo dia atao fampivadiana na
fifampidimbiasan’ny voly amin’ny voly fototra.
- Mahalonaka ny tany ary azo avadika hanaovana kaomposta
- Afaka ampiasaina anaovana voly rakotra
- Miaro ny voly fototra amin’ny fiadivana ny aretina sy biby kely
- Atao sakafo hoan’ny biby fiompy
Arak’izany dia ireto avy ny karazana zezika maitso tena fampiasa :
Karazan-javamaniry Fampiasa azy Ny
endriny
Stylosanthes guianensis
Zezika maintso (misitona Azota ) sy sakafom-biby (tsy mila
anketsa)
Bozaka
Bracharia sp. (B. Brizantha, B. ruziziensis, B. decumbens, B.
humidicola)
Zezika maintso (manalemy tany mafy, misitona ny tsiro tany) sy
sakafom-biby
Bozaka
Crotalaria retusa (Ambarivatrindolo, Voapika)
Zezika maintso (misitona Azota ) sy miaro sisin-tany
Bozaka
. Avena sativa et Avena strigosa (Avoine)
Zezika maintso (misitona ny tsiro tany)
Bozaka
Mucuna pruriens (Agy, takilotra
Zezika maintso (misitona Azota ) sy sakafom-biby (tsy mila
anketsa)
Bozaka
VI. NY ZEZIKA
11
Karazan-javamaniry Fampiasa azy Ny
endriny
Cajanus Cajan (Ambatry)
Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany sy sakafom-
biby
Hazo
malemy
Tephrosia Vogelii
Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany sy afaka atao
fanafody miady amin’ny biby kely manimba voly
Hazo
malemy
Leucena leucocephalia (Bonara mantsina)
Zezika maintso (misitona Azota ), miaro sisin-tany, sakafom-
biby, sy manome aloka hoan’ny voly
Hazo
malemy
Anacardium occidentale Mahabibo
Sakafo olona sy manome aloka hoan’ny voly
Hazo
malemy
Albizia lebbeck
Zezika maintso (misitona Azota ), manome aloka ny voly
Hazo
Moringa oleifera (Ananambo)
Sakafo Olombelona (manakarena: Vit C, A sy K, Ca,…) , miaro
sisin-tany sy manome aloka ny voly
Hazo
VII. VOLY LEGIOMA
12
Anisan’ny paik’ady entin’ny tantsaha miatrika ny fiovan’ny toetrandro ny fanaovana karazam-boly maro.
1) TOERAM-PAMBOLENA
- Tsy lavitra ny tanana satria mila fikarakarana maro
- Toerana tsy dia maloca na feno hazo satria mila
hazavana ny voly
- Tany marin-drano na somary misolampy kely
- Tany tsy voan’ny tondra-drano ary azo asiana tatatra
fitsihifan-drano ary ny rano amban’ny tany eo
amin’ny 80 sm. Fa kosa misy rano tsy tapaka akaiky
(indrindra rehefa amin’ny fotoana maina)
- Manana nofo-tany maivana sy mahavokatra (mora
havadika hatrany amin’ny 20-30 sm)
2) FANOMANANA NY TANY
- Kendrena hisy tatatra manodidina ny tanimboly
(mba hisakana ny ranovohitra
- Atao avo noho ny lalana ny sori-boly, amin’ny
fotoana be orana, ary amin’ny fotoana maina
kosa dia atao mitovy haavo ny lalana sy ny sori-
boly mba hikajiana ny hamandoana.
- Mila asaina lalina ny tany 20-30 sm ary ny ahitra
dia alevina any ambany
- Ireo vahatra hakata mahery dia esorina ary toy izany ko any vato sy ny vaingan-tany mahery
- Fatran’ny zezika tsara atao isakin’ny m2 :
3) FAMOKARANA ZANA-BOLY
- Tany voadio tsy misy aretina, no hampiasaina. Afaka
atao amin’ny alalan’ny fandrakofana ny tany amin’ny “sachet
plastique” mainty ny tany mandritran’ny ora maromaro.
- Ankoatry ny zezika fototra voalaza etsy ambony, dia
mila mampiasa zezika masaka malemy tsara, afangaro
amin’ny tany (halalina 10 sm).
- Esorina ny fakofako sy vaingan-tany.
- Atao mialoha ny fanondrahana mba tsy ho voakorontan’ny rano fanondrahana ny masomboly,
- Afafy manify mielanelana 1-2 sm manaraka ny tsipika, Ohatra: Laisoa, soflera, salady, baranjely,
tongolo be, sakay be, voatabia, petsay,
- Fafàzana vovo-jezika manify hanotofana ny masomboly,
Zezik’omby 50-75 kg/ 10 m².
Tain’akoho sy vorona 30 kg/ 10 m².
Zezi-pako na kampaosta 50-80 kg/ 10 m².
Lavenona 2-3 kg/100 m²
Tany ratsy asa
VII. VOLY LEGIOMA
13
- Rakofana bozaka manaraka ny lavan’ny sori-boly, izany hoe mitsivalana amin’ny
tsipika. Izany no atao mba hikajiana ny hamandoana koa ny rakotra (maina),
- Raha mahery loatra ny tara-masoandro, dia asiana alokaloka hanalefahana ny
hafanan’ny tany (fasehana), izay mety hanimba ny zana-boly.
- Toy izany koa, raha mbola misy oram-baventy, dia ilaina ny miaro ny fafy amin’ny
alalan’ny lamba tsy lena fotsy
- Rehefa feno 3-4 ravina ny zana-boly ary fanetsana dia atao amin’ny folakandro
na fotoana tsy misy hain’andro mafana.
- Avy notondrahana ora 1 mialoha ny fafy mba ahamora ny fandraisana ny zana-
boly
- Aketsa haingana mba tsy ho maina ny zana-boly avy nongotana
- Tandremana mba tsy hiforitra na ho folaka ny vahatra; tohofana tany tsara hatreo
amin’ny atoky ny zana-boly;
- somary asiana tatatra kely manodidina ny fototra, mba tsy hiandronan’ny rano
loatra ny fototra;Arahana fanondrahana rano avy hatrany mba hifandray tsara amin’ny
tany ny vahatra ;
- Asiana ravin-kazo, manaloka ny zana-boly avy naketsa hiarovana azy amin’ny
hain’andro be loatra mandritra ny 2-3 andro.
- Haverina tondrahana kelikely isa-maraina, ary rehefa mivelatra ny ravina dia
kendrena mba tsy ho voatosaky ny rano be loatra,
4) FIKARAKARANA NY VOLY
a) Fanesorana ireo matevina mba hitombo tsara ny
vokatra (hoan’ireo natao fafy raikitra)
b) Mila hevona ny tany mba hisy fiveziveze’ny rivotra.
c) Mila fanohofana ny tany mba hitohaka amin’ny foto-
boly
d) Mila fanohanana ny legioma sasany mba tsy
hifandray amin’ny tany toy voatabia, haricot vert, sns
e) Ny fanondrahana dia tena ilaina rehefa maintany ary
eny foto-boly no manondraka. Ilaina manisy rakotra
mba hitana ny hamandoana.
VIII. HAZO FIHINAMBOA
14
TEKNIKA FAMOKARANA ZANAKAZO
1) Botiora
a) Botiora tsotra
- Fidiana tsara ny taho matoy (herintaona), salama tsara, misy masony
- Tapahana tokony ho 20 ka hatramin’ny 30 sm ny taho fehezina atao pake ny botiora maromaro
dia atsatoka amin’ny alagnana (fasika) mando mba tsy hahafaty azy nydian’antsy
- Rehefa avy eo dia atsatoka mahitsy amin’ny tany na somary misompirana ny taho
voatapatapaka alentika anaty tany ny 2/3 n’ny taho miaraka amin’ny masony iray, ary avela ho
ety ambony ivelany ny masonyroa hafa
- Atao manaraka “ligne” mielanelana 60 sm ny “ligne” roa ary 10 sm no elanelana botiora. Azo
atao koa ny manao azy anaty “pot” ka rehefa mahazo fakany dia afindra amin’ny toerana
hambolena azy amin’ny fotoana hiatoan’ny fitsiriana (ririnina, na maintany)
- Kendrena mba tsy hihintsana ny tany mandrakotra nyfakany mandritra ny famindrana
(fitaterana)
b) Botiora miaraka amin’ny sefany
- Tapahana 2 sm ambony sy ambanin’ny sefany taho izay atao botiora
- Mitovy tsy misy valaka amin’ny botiora tsotra ny fambolena azy
c) Botiora misy fiantoy (en crossette)
- Mitovy amin’ny eo ambony fa tapahana 2 sm ny sampana ambonin’ny foto-tsapany
2) Markotazy
a) Markotazy mandry
- Atao amin’ny karazan-kazo misy sampana lava sy malefaka (voaloboka, paoma)
- Manao lavaka 15 ka hatramin’ny 20 sm ny halaliny eo anilan’ny renihazo (na maka tany iray sobika)
VIII. HAZO FIHINAMBOA
15
- Aforitra anaty lavaka na ny sobika ny sampana iray efamatoy amin’ny reny hazo ka tazonina amin’ny
tsatoka totofana tany ny faritra anaty lavaka
- Tazonina amin’ny tsatoka mba hitraka ary
azonina hatrany ny hamandoana
b) Markotazy voatototra “en butte » na « cépée »
- Fanao amin’ny karazan-kazo afaka
mamoaka sampanatsimoka rehefa
voarantsana toy ny paoma rantsanana ireo
sampana eo amin’ny 10-15 sm ambonin’ny
tany
- Totofana hatreo amin’io haavo io
c) Markotazy eny amin’ny tahony
- Alana ny raniny amin’ny ratsany ampiasaina
- Fonosina sachet misy tany sy fasika)
- Tazomina mando, mandram-panirin’ny
fotony.
3) Grefy
Fametahana ny zana-grefy na “greffon” avy amin’ny hazo tiana
hanatsarana vokatra eo ambonin’ny hazo iray hafa atao hoe “porte
greffe” izay (taloha tiana hatsaraina) mitondra ny fakany.
Ireo fomba fanaovana grefy:
• grefy “en fente simple” na “à l’anglaise”
fanao amin’ny taho efa matoy na mbola tanora
• grefy « en placage »
mba ahazoana antoka ny hatsarana sy ny karazan-kazo dia tsara ny maka izany any amin’ireo mpamokatra
azy manokana
a) Grefy “en fente simple” na “à l’anglaise” - Fanao amin’ny taho efa matoy na mbola tanora
b) Grefy « en placage de copeau »
Fambolena
1. Manao lavaka 30 sm x 30 sm eo anivon’ny lavaka efa nomanina, sy
nofenoina ;
2. Hanesorana ny ampahefatry ny fakany, anesorana ny raviny.
3. Apetraka moramora anaty lavaka voaomana ka aparitaka tsara ny
fakany
4. Tazonina tsara ny zana-kazo ka averina ny tany nesorina
mandrapaha-rakotra tanteraka ny faka
5. Tsindriana tsara ny tany manodidina ny fotony ka atao miendrika
havoana kely tokony ho 15 sm ambonin’ny tany ny haavony.
6. Ny fototry ny zana-kazo “collet” na “point de greffe” dia tsy maintsy hita mivoaka ivelan’ny tany
7. Rakofana ahitra ny manodidina mba hitazonana ny hamandoana indrindra any amin’ny faritra maina
IX. FIADIVANA AMIN’NY ARETINA SY NY BIBIKELY
16
Tsapan’ny tantsaha ankehitriny noho ny fiovan’ny toetrandro dia lasa mirongatra ny fanamban’ny voly izay
ataon’ny bibikely sy ny aretina izay maro no tsy mahazatra ary tsy fahita teo aloha ka ny lojy syn y katsaka
no tena lasibatra amin’izany.
Maro ny fanafodim-bazaha na fanafody simika no mitombaka eny an-
tsena entina miady amin’ny aretina sy bibikely mpahazo ny voly. Kanefa
efa hita ankehitriny fa dia sady manimba tontolo iainana izy ireny no
mora mihendanja ny heriny rehefa avy nampiasana matetika. Satria ny
aretina sy ny bibikely ihany koa rehefa vonoina amin’ny fanafody iray
mitovy foana dia mampitombo ny heriny izy ireo ka lasa afaka mazaka
ny fiantraikan’ilay fanafody.
VOLY MATANJAKA, rehefatsara karakara ny voly izany hoe tany masaka, tsara rano dia mamoka
hery fiarovana ny entina miady amin’ny bibikely sy aretinay. Ary koa
araho ireo paika fampiarana sy fifandimbiasana voly.
ASORY IREO EFA VOA, raha mbola tsy maro ny voly tratran’ny aretina
sy ny bibikely dia aleo asorin’ireo izay voa.
MAMPIASA FANAFODY NATORALY, maro ireo fanafody natoraly na
ady gasy azo ampiasaina.
Ireto misy ady gasy vitsivitsy azo ampiasana
Marihana fa ny fampiasana ny ady gasy dia tsara kokoa raha mbola tsy miparitaka be ny aretina sy ny
bibikely. Maro amin’reo ady gasy no azo ampiasaina mialohan’ny fisian’ny aretina sy bibikely eo
amin’ny voly.
1) ADY GASY AMIN’NY BIBIKELY
Voandelaka + Neem
Asany: Miady bibikely. Ohatra ny voana na voangory kely
mainty, kimboamboa, sakivy, sns
Fanamboarana azy :
1. Maka ravina voandelaka 2 kilao ary totoina ary avy
eo dia halona anaty rano 10 L mandritra ny alina. Ny
maraina kosa dia fafazana eo amin’ny voly.
2. Maka tamotamo 0,5kilao ampiana voam-
boandelaka 02 kapoaka ary dia totoina ary afangaro
amin’ny masomboly ho volena.
3. Maka voam-boandelaka 0,5 kilao ary voasana ary
alaina ilay voany ary totoina ary afangaro amin’ny
ranon-tsavony gasy 10 L. Ary afafy eo amin’ny voly.
Marihana fa tsy azo tehirizina avy ampiasaina avy
hatrany.
IX. FIADIVANA AMIN’NY ARETINA SY NY BIBIKELY
17
Sakay pilokely
Asany: Miady amin’ny bibikely Ohatra kimavo na ramerina,
olipanjehy, olitra mainty
Fanamboarana azy: Fampiasana sakay pilokely sy molaly
samy roa sotro fihinana ary rano 10 litatra
2) ADY GASY AMIN’NY ARETINA
Consoude
Asany: Miady amin’ny aretina lagaly
Fanamboarana azy:
Maka ravina consoude ½ kilao totoina miaraka amin’ny
tamotamo ½ kilao ary ampiarahana amin’ny ranon-tsavony gasy
10 L ary alona indray alina.Ary afafy amin’ny voly.
Taretra
Asany: Miady amin’ny aretina lagaly sy holatra
Fanamboarana azy:
Maka ravina taretra 1 kilao ary totoina miaraka amin’ny ranon-
jezik’omby vao izany dia avela hilona mandritra ny telo andro.
Ary afafy amin’ny voly.
Marihana fa ilay ranon-tsavony
dia natao ho fandraiketana ny
fanafody ary azo atao ko any
mampiasa vary sosoa marihatra,
ranon’ny mangahazo maintso na
maina nandrahoina na mamin-
tantely 2 na 3 sotro fihinanana.
3) FAMPIARANA SY FIFAMPIDIMBIASANA VOLY MIADY AMIN’NY ARETINA SY BIBIKELY
Mucuna/Karazana voa - Katsaka + Sorgho , Vomanga
Ampifandimbiasina amin’ny katsaka sy Sorgho na karazana voa na ny Mucuna. Izany hoe rehefa vita ny
voly mucuna dia avadika ho zezika amin’ny tany
hambolena katsaka sy sorgho. Entina miady amin’ny
bibikely maro samihafa izay manimba ireo voly ireo.
Mandalo dia raikitra+ Farinomby + Katsaka
Rehefa antambatra ireo voly ireo dia afaka miady amin’ny
“Chenille legionnaire
X. FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY
18
Matetika dia kely ny faritra hampiasainy tokantrano iray ary ny voly vary sy ireo izay tena ilainy tsena eo
an-toerana no hambelona. Kanefa mba hiantrehana ny fiovany toetrandro dia ilaina ny manova ireo fomba
izay tsy mahomby. Anisan’izany ny fambolena voly tokana eo amin’ny toerana iray ka tsy misy fampivadiana
na fifandimbiasan’ny voly.
NY FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY
Dia teknika izay entina:
1) Hisorohana ny tany tsy ho lany tsiro
Ohatra ilaina ny mampifandimby ny voly mila zezika maro (Laisoa, Soflera, Petsay, Zepinara) amin’ireo
mivelona amin’ny zezika maivana (Karaoty, Tongolo) sy
amin’ireo Legiminaozy na voly beravina (Tsaramaso,
Soja) izay mamerina ny tsiro ny tany amin’ny alalan’ireo
bokaboka amin’ny fakany izay misitona ny azota
mivantana avy amin’ny rivotra.
2) Hiadiana amin’ny fiparitahan’ny aretina sy
ny bibikely
Ohatra ny hampifandimbiasana ny laisoa sy petsay (izay
hohanin’ny Maitsokely) amin’ny Karaoty sy Tongolo
(izay tsy tian’ny Maitsokely)
Ireto ny karazana fifandimbiasana atao mba
hanatsarana ny tany ary maharitra fampiasana azy.
Voly 1: voly fihinam-boa (baranjely, soflera,
voatabia, sns)
Voly 2: voly fihinan-dravina (Anana, Laisoa,
Zepinara, Salady, Selery, sns)
Voly 3: voly fihinam-body (betiravy, karaoty,
tongolo be, ovy, sns)
Voly 4: voly mamokatra voa (tsaramaso, soja,
katsaka, sns
X. FAMPIVADIANA SY FIFANDIMBIASAM-BOLY
19
Rehefa hanao fifandimbiasam-boly dia mila zaraina ny faritra ary ezehana ny tsy hiveraniny voly iray
mitovy amin’ny tany ratsy efa ela indrindra.
Voly 1 Voly
fanampiny Ny mampiavaka azy
Katsaka +
sorgho
Mucuna
(amin’ny
fanodonana
voly)
Mucuna dia manadio ny tany amin’ny bibikely Heteronychus plebejus
ary manalavitra ny bibikely manidina. Atao mihodina aloha na
aorian’ny voly katsaka sy sorgho.
Desmodium
+ herbe
éléphant
(amin’ny
fanodonana
voly)
Ny fmoba fiasa « Push Pull ». Push : Silverleaf Desmodium na
"Mandalo dia raikitra" dia manalavitra ny bibikely makany amin’ny
zava-maniry tiany kokoa na fandrika Pull (Herbe éléphant na
"Farinomby" na Pennisetum purpureum) ambolena manodidina ny
voly.
Vomanga
Mucuna
(amin’ny
fanodonana
voly)
Mucuna dia manadio ny tany amin’ny bibikely Apion izay manomba
ny fototry ny vomanga.
Légumineuses (tsaramaso,
kabaro, …)
Mucuna
(amin’ny
fanodonana
voly)
Nymucuna coupe dia manadio ny tanimboly amin’ny olitra
(Helicoverpa armigera) mihinana ny raviny sy ny voany, ary manapaka
ny fimparitahiny.
voly mamokatra voa (4)
- Tsaramaso
- Katsaka
- Petipoa
voly fihinan-dravina (2)
Zepinara
- Anana
- Laiso
- Salady
- Tisam
voly fihinam-body (3)
- Karoty
- Nave
- Betiravy
- Ovy
voly fihinam-boa (1)
- Poaviro
- kokombra
- Voatavo
20
XI. NY FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY
21
1) TANIMBARY TSARA HIOMPINA TRONDRO
- Misy rano azo antoka sy azo fehezina tsara mandritry ny taona, tsy atahorana ho dobo-drano ;
- Tany Mitana rano ;
- Tratry ny masoandro ;
- Lavitry indostria, sy ny fahalotoana.
2) FANAMBOARANA MANOKANA NY TANIMBARY HIOMPIANA TRONDRO
a) Tahalaka
- Ampiakarina ho 50 sm ny hahavo sy ny sakan’ny tahalaka mba isorohan’ny fihoaran’ny rano sy fahavakisan’ny tanimbary.
b) Fidiran-drano
- Asiana makarakaram-by ny
fidiran’ny rano iarovana
amin’ny fahavalon’ny trondro (foza, fibata…) ;
- Tsara raha manana fidiran-drano sy fivoahan-drano mahaleo
tena ny tanimbary, anamora ny fitantanan’drano ;
- Herinandro alohan’ny handrotsahana ny zana-trondro no
mampidi-drano.
c) Tatatra fieren’ny trondro
- Ao anaty tanimbary, mandavaha tatatra
fieren’ny trondro mba :
➔ Azo androtsahina zana-trondro alohan’ny fanetsana ;
➔ Hieren’ny trondro rehefa mihena ny rano na koa
rehefa mangatsiaka ny rano ;
➔ Manamora ny fanjonoana ireo trondro.
d) Valan-jezika
- Ny valan-jezika dia toerana androtsahina fako biolojika sy zezika, izay
ampitombo ny bibikely sakafon’ny trondro.
- Fefy rari-hazo amin’ny tady atao ami’ny sisin’ny tanimbary ;
XI. NY FIOMPIANA TRONDRO ANTANIMBARY
22
3) ASA ATAO MANDRITRA NY FIOMPIANA
a) Isan’ny zana-trondro arotsaka
Raha fahanana zezika fotsiny:
Raha zezika + sakafo fameno:
Zana-trondro 25/ara (1 na 2 isaky ny m
2) Zana-trondro 50/ara (4 na 5 isaky ny m
2)
b) Fandrotsahana ny trondro
Anesorana ny rano ao amin’ny fitondrana ary tapohina amin’ny ranon’ny dobo mba ampitovitovy ny
hafanan’ny rano, zay vao avela hivoaka tsikelikely ny trondro.
c) Fampiroboroboana ny sakafo voajanahary
Akora ampiasaina : Zezik’omby + apombom-bary + fako biolojika
Fatra ilaina :(6 kg/ara/isan-kerinandro)
Fomba fanarahamaso :Araraka anaty valan-jezika ireo akora ireo isan-kerinandro.
Arahimaso isan-herinandro ny fahamaintson’ny rano, amin’ny alalan’ny vilia fotsy
fantsihina amin’ny hazo lava. Alentika anaty rano io ka rehefa tsy tazana ny vilia
dia refesina ny faritra mando.
d) Fitondrana sakafo fameno
Akora ampiasaina:
Ampombo : vary, varim-bazaha, katsaka, mangahazo, vomanga na saonjo masaka.
Faikan’ny (tourteaux) : voanjo, sôja, vovo-trondro, voan’ny landihazo.
Raha mihoatra ny 40 sm ny
alaliny
Tsy ampy ny zezika ka tapenana ny rano miditra sy mivoaka ary ampiana
zezika vaovao
Raha latsaky ny 25 sm Matavy loatra ny rano ka atao betsaka ny rano miditra sy mivoaka
ary ajanona ny fanampiana zezika mandritra ny herinandro
Raha anelanelan’ny 25 sy 40 sm METY ny fatran’ny zezika sy ny fandrindrana rano
Toa izao ny
tanimbary
voahomana
hiompiana
trondro.
XII. NY FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO
23
Maro ny karazan-trondro azo ompiana an-dobo fa ny amporisihina eto dia ny fiompiana KARIPA sy tilapia
noho izy ireo mora ompiana sy azahoam-bola aingana. Ireto toro-hevitra ireto dia natao handrindrana ny
rano amin’ny fiompiana trondro. 1) NY TOERANA TSARA HIOMPIANA TRONDRO AN-DOBO
- Tany azahoana rano madio mandritry
ny taona eo amin’ny 10 litatra isan-
tsegondra, izany hoe mahafeno 8 m3
anatin’ny iray andro ; - Tany somary misolampy malefaka
(2-8%) ;
- Tany mitan-drano na tsy mifoka rano
(tany be tanimanga) ampihena ny
fahaverezan-drano
- Tany tratry ny masoandro.
2) FANAMBOARANA TOKONY ATAO
a) Aro-riaka manodidina ny dobo
Raha toa ka iva-toerana ny dobo dia mila
arovana mba tsy ho tototry ny riaka avy
amin’ny manodidina. Asiana tata-drano avy
any amin’ny fiavian’ny rano.
b) Dobo fanangonan-drano
Mba isorohina ny tsy fahampin-drano na
fibosahiny be loatra dia mila dobo fanangonan-drano.
c) Fanamboarana ny dobo
Eo amin’ny 0,80 m ny hatramin’ny
1,20 metatra eo ny alalin’ny rano
ary atao misolampy ny
fanambanin’ny dobo.
- Mila tanimanga ny
fanambanin’ny dobo.
d) Fanamboarana ny fefiloha
Mila amafisina tsara any fefiloha mba ialana amin’ny vahavakisany na
fitresahiny. Ny akora ananganana azy dia bainga, tanimena, mety ihany
koa raha tany anaty gony. Damàna tsikelikely ary volena vilona ny faritra
tsy tratry ny rano itazomana ny nofon-tany.
XII. NY FIOMPIANA TRONDRO ANDOBO
24
e) Ny fanarin-drano
Misy karazany roa (2) ny fanarin-drano:
- Ny moinina : izay fanarin-drano mametra ny
ahavon’ny rano, raha toa ka misy fihoarany ;
- Ny fantsona PVC : izay fandritana sy fanariana ny rano avy any ambany
Mila jerena sao manary rano aingana loatra ny dobo. Raha toa ka manary dia :
- Jerena ny manodidina ny fefi-loha raha misy mando na manary rano ;
- Raha misy dia vakiana eo amin’ny fefiloha manary, ka tovanana tani-manga ary damàna;
- Raha tsy misy dia mila ritina ny rano, ary amafisina ny fanambanin’ny dobo fa manary rano.
Potehina ary ampiana tanimanga sy bozaka,hosena atao mamotaka, ary andrasana ho maina.
XIII. KARIPA SY TILAPIA
25
1) NY MOMBA NY TRONDRO
Miankina amin’ny toetr’andro sy toe-tany any amin’ny toerana nanorenana ny dobo no hisafidianana izay
karazan-trondro hompiana mba tsy hahadiso ny fitantanana.
a) Ny KARIPA :
- mila toerana malalaka (1-2 isaky ny m2) ;
- mila hafanana eo amin’ny 22-30°C;
- mila rano lalina sy tsara kalitao ;
- Mitombo aingana kokoa .
b) Ny tilapia :
- Mora ompiana ary tsy dia sarotiny (5-10 isaky ny
m2);
- Mila hafanana eo amin’ny 24-28°C ;
- Mafy aina kokoa raha hoarina amin’ny KARIPA ;
2) FISAFIDIANANA NY ZANA-TRONDRO
Miankina amin’ny fahatsaran’ny zana-trondro ny
fahombiazan’ny fiompiana trondro.
-Tsy mety ny mampiasa zana-trondro efa nialin-taona na
ahitana fahasamponana ara-batana : (i)mivilana lamosina, (ii)
ngeza noho ny vatany ny lohany.
-Tsara raha any amin’ireo toerana mpamokatra zana-trondro no
hividianana izany ;
- Ho an’ny tilapia : Tandremana ny karazan-trondro tilapia zilli fa sady fahavalon’ny karazana
tilapia hafa, no tsy mitombo.
3) FAMPIDIRAN-DRANO
- Rehefa tafa-petraka tsara ny fiarovana amin’ny biby
kely sy karazan-trondro hafa, ka efa namasahina
tamin’ny zezika ny dobo dia ampidirina ny rano;
- Tsy tokony hihoatra ny 5 andro ao arinan’ny
fampidiran-drano dia miditra ny zana-trondro mba
ialana amin’ny fitombon’ny fahavalo anaty rano.
4) NY FANOMEZANA SAKAFO
a) Valan-jezika (60% n’ny sakafo ilain’ny trondro)
- Amasahina tsikelikely ny rano ary arahina amin’ny fitaovana fanarahina
(jereo ao @ trondro an-tanimbary) mba tsy anoloana rano be loatra.
XIII. KARIPA SY TILAPIA
26
- Rehefa tafiditra ao amin’ny dobo efa namasahana ny zana-trondro dia tsy omena sakafo
mandritra ny 3 andro voalohany, fa avela ivelona amin’ny bibikely ao anaty rano, ialana amin’ny
firoborobon’ny « plancton » be loatra.
b) Fanampin-tsakafo (40% n’ny sakafo ilain’ny trondro)
- Zaraina in-3 na hatramin’ny in-4 ny isan’andro ny famahanana ny trondro mba ampihena ny
sakafo very ;
- Tsara raha ny ariva no fahanana ny trondro satria mafana ny rano ka mazoto homana ny trondro
;
- Asiana toerana voatokana ny hisakafoanany (lavitra ny fivoahana sy fidiran’ny rano).
- .
Carpa : ny KARIPA dia tsy mifidy sakafo, fa mihinana izay rehetra omena azy. Tia mitrongy ny fanambanin’ny
dobo ihany koa izy.
Tilapia : tsy mihinana ireo ambin-tsakafo miletika any amin’ny faran’ny dobo izy, noho izany, tsara raha
mampiasa mangeoire flottante mba tsy ampiparitaka ny ambin’tsakafo. Ny ambi-tsakafo tsy lanin’ny
trondro dia mandany ny oxigène anaty rano, ka mahatonga ny fanoloana rano matetika.
- Mila diovina matetika amin’ny passoire izay loto na ambon-tsakafo tsy lany.
5) NY FANARAHAMASO TOKONY ATAO
a) Arahina ny fiterahin’ny trondro :
Ny tilapia dia miteraka isam-bolana ka tokony arahina ny fitombon’ny trondro
anaty dobo. Mba ialana amin’ny fahafenoany be loatra ka tsy mampitombo
lanja ny trondro, dia tsara raha asiana fibata na carpe iray ao anaty dobo
manomboka volana faha -4, ihinana ny zana-trondro vao teraka.
b) Arahina ny fahamasahan’ny rano :
Ezahana tazomina ny famasahan’ny rano mandritry ny fotoam-
piompiana, ka sady tsy atao madio loatra no tsy maintso loatra.
c) Arahina ny fitombon’ny trondro : Mila lanjaina ny
trondro isam-bolana ahafahana manova ny fatra-tsakafo ho
aniny isan’andro.
XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO
27
Misy karazany 3 ny dobo ilaina amin’ny famokarana zana-trondro :
Ny dobo fampiarahina trondro dia tokony misy fanatodizan’ny trondro anamora ny fitsaikan’ny ranon’ain’ny lahy ny atody. Izany dia manatsara ny salan’isa fahafohizan’ny atody.
Aorian’ny fanatodizana :
- Afindra amin’ny dobo hafa ireo trondro lehibe mba tsy anakorotana ny ny trondro vao fohy ;
- Afindra moramora ao amin’ny dobon-janatrondro ny kakaban feno atody, ka atao akaiky fidiran-
drano ;
- Atao 30 sm ambanin’ny rano ny kakaban ao amin’ny dobon-janatrondro.
XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO
28
1) FISAFIDIANANA NY KARAZANA TRONDRO: KARIPA
Ny KARIPA commune (Cyprinuscarpio) dia misy karazany 4 :
- Ny
fampivadiana KARIPA lahy sy vavy, fitaratra sy fitaratra, na kirana sy kirana dia manatsara
famokarana.
a) Fanavahana ny KARIPA lahy sy vavy
- Horona ny kibon’ny trondro ka raha mandronono, dia LAHY.
- Anisan’ny trondro tsara ny KARIPA fitaratra :
- Ny kirany : lehibe mamiratra, mikorotana, ary tsy mitovy
ny abehiny eo ambany vombony an-damosina.
- Vombona malemy : mihotra ny 17.
b) Fanatodizan’ny KARIPA
Eo anelanelan’ny septambra hatramin’ny novambra no
manatody ny KARIPA. 10 hatramin’ny 15 ora aorianan’ny fampidirana azy anaty dobo no tokony hanatody ireo trondro
ireo, mandritra ny fiposahan’ny masoandro. Noho izany rehefa
avy ampiarahina ny lahy sy vavy dia tsy kotabaisina amin’ireo fotoana ireo.
c) Fepetra ilaina amin’ny KARIPA
- Lahy : feno 1 taona sy tapany ;
- Vavy : mahafeno 3 taona ary 1kg ;
- Trondro lehibe ilaina : 02 lahy/01 vavy ;
- Maripana latsaky ny 29°C ; -
2) FISAFIDIANANA NY KARAZANA TRONDRO: TILAPIA
FISAFIDIANANA NY
KARAZANA TRONDRO
Misy karazany 5 ny tilapia
fahita eto amintsika :
XIV. FIOMPIANA ZANATRONDRO
29
Ny tilapia nilotica oreochromis no atoro noho izy maroroka no mora ompiana.
a) Fanavahana ny KARIPA lahy sy vavy : jerena ny
« papille génitale »
Ny lahy: dia
mipetraka eo
aorian’ny fivoahan’ny
malotony , lava sady
maranitra ary misy lavaka eny amin’ny farany. Ny vavy: manana endrika boribory ary misy lavaka mahitsy.
Akaikin’ny fototry ny papille ao ihany koa no ahitanany « oviducte ».
b) Fanatodizan’ny tilapia
Eo anelanelan’ny oktobra hatramin’ny aprily no manatody ny KARIPA. Manatody im-betsaka izy ka
mielanelana 4-6 herinandro. Afaka manatody any amin’ny fanambanin’ny dobo izy, nefa koa azo atao ny mampiasa ny teknika fampiterahina mampiasa kakaban mba azahoana vokatra tsara kokoa.
c) Fepetra ilaina amin’ny tilapia
- Lahy : feno 6 na 7 volana ;
- Vavy : mahafeno 5 volana ary 10sm ;
- Trondro lehibe ilaina : 02 lahy/01 vavy ;
- Maripana mihoatra ny 22°C ; - Mila soloina isaky ny manatody in-3 ny atsasan’ireo trondro lahiny sy vaviny mpiterana.
SAKAFON-JANA-TRONDRO
Ny valan-jezika
Ny sakafo biolojika ateraky ny valan-jezika dia manome 60% n’ny sakafo ilain’ny trondro. Mila fehezina
anefa ny fandrotsahina azy mba tsy ho mora maintso loatra ny rano, ka voatery ampidi-drano be loatra.
Ny fanampi-tsakafo
Mba ampitombo aingana ny vokatra dia mila omena fanampin-tsakafo ny trondro sy ny zana-trondro :
- Atao amin’ny fotoana tsy miovaova ary zaraina amin’ny fotoana maromaro ampihena ny sakafo
very ;
- Ny ambi-tsakafo tsy lanin’ny trondro dia mandany ny oxigène anaty rano, ka mahatonga ny
fanoloana rano matetika.
- Mila diovina matetika amin’ny passoire izay loto na ambon-tsakafo tsy lany.
Isan’andro Rano Sakafo isan’andro
0-2 Madio sy tantera-
kazavana
-
2-4
7-14 Vovo-katsaka ½ kopy isaky ny isan’nyreni-trondro niteraka
14-21 Vovo-tsakafo 1 kopy sy ½ isan’ny reni-trondro niteraka
21-27 Vovon-tsakafo 3 kopy sy ½ isan’ny reni-trondro niteraka ;
Poti-tsakafo, bibikely, kakana… + 28 Maintso mavana
JONO, VATO HARA ARY ALA HONKO
30
top related